Variana : Variana eny an-tsaha avokoa ny ankamaroan’ireo tantsaha mpamokatra any amin’ny distrikan’i Fenoarivobe amin’izao fotoana na dia ao anatin’ny fanomanana ny fetin’ny krismasy aza. Nifanindran-dalana tamin’izany fanomanana izany mantsy ny firotsahan’ny rotsak’orana, fotoana iray hanararaotan’ny rehetra hikarakarana ny fambolena.
Niakatra : Niakatra 37 sm ny haavon’ny rano eto an-drenivohitra taorian’ny nirotsahan’ny orana. Noho ny fahatongavan’ny rano avy any amin’ny reniranon’i Sisaony sy Ikopa araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny APIPA no mahatonga izany. Na izany aza tsy mbola misy ahiana ny loza mety hihatra amin’ireo mponina eny amin’ny faritra iva. Ho an’ny eny Anosizato manokana, ohatra, dia tafakatra 2 metatra mahery ny haavon’ny rano.
Fiompiana trondro : Hohatsaraina hatrany ny fiompiana trondro any amin’ny tanànan’i Tsivalaka, Kaominina ambanivohitra Mahabo, Faritra Menabe. Nandritra ny fitsidihan’ny ministra tomponandraikitra tany an-toerana no nahafantarana izany ny fiandohan’ny herinandro teo ka nanolorany zana-trondro karpa sy tilapia iray hetsy isa. Narahiny fanentanana ny amin’ny tokony hanajana ny fe-potoana hanatodizan’ny trondro izany izay modian’ireo mpanjono tsy fantatra indraindray.
Voasazy : Nosazian’ny Vondrona eoropeanina tsy mahazo mandingana an’i Eoropa intsony i Laurent Gbagbo, ilay nilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena tany Cote d’Ivoire sy ireo olona akaiky azy 19 isa, saingy tsy lanim-bahoaka. Ho famaizana ny lehilahy tsy hanao kolikoly amina resa-pifidianana no tanjona kendrena, araka ny vaovao voaray. Tsiahivina fa nahatratra 750 ireo olona tsy hita popoka hatramin’ny nisian’ny fifandonana tany Cote d’Ivoire, 200 naratra mafy raha 50 kosa no namoy ny ainy.
Tafatsangana : Tafatsangana any Iran ny vaomiera manokana mitaky ny hamoahana ilay mpamokatra horonan-tsary mihetsika naiditra am-ponja mandritra ny enin-taona vokatry ny famoahany horonan-tsary iray manohintohina ny fitondram-panjakana mijoro any an-toerana ankehitriny. Mijoro mitaky ny hamoahana ity mpamokatra horonan-tsary mihetsika ity ihany koa ireo mpanao politika any ivelan’i Iran.
Kara-tany : Olona manodidina ny 20 isa no hizarana kara-tany any amin’ny kaominina ambanivohitra Mahavelona Foulpointe, distrikan’i Toamasina II omaly maraina. Nifanindran-dalana tamin’ny fanokanana tamim-pomba ofisialy ilay tranon-tsekoly vaovao iray naorin’ny fitondrana FAT any an-toerana ny lanonana.
VMLF : Tsy ny vehivavy intsony no hofanin’ny VMLF , fikambanam-behivavy iray miezaka ny hametraka ny 30% -n’ny vehivavy eo anivon’ny sehatry ny fitantanana ny firenena fa omena fiofanana ihany koa ireo lehilahy mila izany. Nandritra ny fanofanana ireo vehivavy sy Renim-pianakaviana am-polony notontosain’ity fikambanana ity tany amin’ny faritr’i Melaky no nahafantarana izany afak’omaly talata.
Fotodrafitrasa : Nahazo tranon-tsekoly vaovao misy efitrano telo miaraka amin’ny dabilio ny any amin’ny Kaominina ambanivohitra Antanifotsy, distrikan’i Soanierana Ivongo miaraka amin’ny biraon’ny talen-tsekoly sy ny trano fidiovana ho an’ny lahy sy ny vavy. Vokatry ny fanampiana avy tamin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena no angady nananana sy vy nahitana izany. Notokanana tamin’io andro io ihany koa ny tranoben’ny tantsaha vaovao.
Misy izay ilaina : Misy izay rehetra ilaina hoenti-mankalaza ny fetin’ny krismasy sy ny faran’ny taona any amin’ny distrikan’i Morondava araka ny vaovao voaray na dia tsy toy izany aza tamin’ny taon-dasa. Ny indro kely, araka ny vaovao voaray ihany, dia ny fidangan’ny vidin’entana, indrindra ireo kojakoja fampiasa amin’ny fiainana andavanandro toy ny menaka, ny fotsimbary…
Fanampiny : Nahazo tranon-tsekoly fanampiny ny Ceg ao an-drenivohitr’i Miarinarivo. Collège de Référence no hiantsoan’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny any an-toerana ity Ceg vaovao ity miaraka amin’ny biraon’ny talen-tsekoly.
Tapaka : Taorian’i Madagasikara, Guinée ary Niger, dia notapahan’ny Amerikana ihany koa ny AGOA ho an’ny Repoblika demokratikan’i Congo, manomboka ny 01 janoary 2011. Noho ny tsy fanajana sy fanosihosena ny zon’olombelona no anton’io fanapahan-kevitry ny fitondrana amerikanina tarihin’i Obama io.
Mamoafady : Miparitaka eto an-drenivohitra hatry ny omaly, ary efa hita amin’ny Internet, ihany koa ny “vidéo” iray maharitra ora iray eo. Mirakitra sarim-behivavy roa miboridana miaraka amina lehilahy manao fihetsika mamoafady sy feno herisetra izy io. Nalaina tany anatina fiangonana zandriny eto an-drenivohitra, eo anatrehana olona vitsivitsy, misy mpiandry.
Tsy ilaina : Araka ny menomenon’ny ankamaroan’ny olona eto an-drenivohitra dia tsy ilaina ny filatsahan’ny orana eto. Raha ny zava-misy tokoa mantsy, tao anatin’ny andro vitsivitsy monja niavian’ny orana izay dia efa feno rano daholo ny tanimbary sy ny toerana iva ary efa maro ireo tsy manan-kialofana sy niala tamin’ny toeram-ponenany. Ny antony moa raha dinihina dia ny fahatsentsenan’ny lakandrano. Toa mandrora mitsilany ihany, araka izany, ny mponina.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.