Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alarobia 22 Desambra 2010


Morombe : Mirongatra ny vaky fasana any amin’ny distrikan’i Morombe. Ny fokontanin’Antanimena, kaominina ambanivohitra Befandriana Atsimo no tena lasibatra araka ny vaovao voaray. Razana miisa enina be izao no indray nanjavona tao anatina fasana iray ny faran’ny herinandro teo. Ankoatra io dia razana 157 isa ihany koa no indray tsy hita afak’omaly raha razana mbola lena roa sisa no tavela tao anaty fasana. Hetahetan’ny mponina ny mba hijeren’ny fitondram-panjakana akaiky ny zava-misy. Tsy misy zandary mantsy any an-toerana fa miaramila ihany, hany ka tsy mahara-maso ireo fiara miditra sy mivoaka izay ahian’ny mponina mitondra ireto taolambalon’ny maty very ireto.

 
Mangataka : Mangataka ny mba hahazoany fiara mpamonjy voina ny any amin’ny distrikan’i Mananjary. Teny an-dalana hamonjy ilay hain-trano nitranga tany an-toerana mantsy no nivadika indray ilay fiara mpamonjy voina iray hany tokana any an-toerana ny fiandohan’ny herinandro teo ary tsy mbola vita hatramin’izao. Eo andaniny anefa mihamahazo vahana ny rivomahery sy ny hafanana antony iray mampirongatra ny doro tanety sy ny afo any an-toerana izay mazàna vokatry ny tsy nahy avokoa.
 
 Miaka-bidy : Miaka-bidy isan’andro ireo kojakoja fampiasa amin’ny fiainana andavanandro. Tafakatra 400 Ar latsaka ny iray kapoaka amin’ny fotsimbary ankehitriny raha tsy mahazo menaka intsony ny 100 Ar. Ankoatra izay dia miaka-bidy isan’andro ihany koa ny atody. Tafakatra 370 Ar ny iray raha 350 Ar teo aloha. Noho ny fahatongavan’ny fety, fotoana mahabetsaka ny mpampiasa atody indrindra no voalaza fa antony mahatonga izany.
 
Lycée : Raikitra ny fanokafana ilay lycée any amin’ny Kaominina ambanivohitra Ampasina Maningory any amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana. Afak’omaly alatsinainy no nanokafana tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa noho ny hamaroan’ireo ankizy mpianatra afa-panadinana BEPC ka tsy mahita sekoly hianarana. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny faritra Analanjirofo ary ny DREN any an-toerana no angady nananana sy vy nahitana izao lycée izao.
 
Delestazy : Mamely ny delestazy any amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana. Nahatratra 24 ora ny fahatapahan’ny herinaratra tamin’ny alatsinainy araka ny vaovao voaray. Eo an-danin’izay tsy mahara-baovao ihany koa ny mponina noho ny fahatapahan’ny televizionam-panjakana TVM.
 
Rano fisotro madio : Misedra olana noho ny tsy fisian’ny rano fisotro madio ny mponina any amin’ny distrikan’i Sainte Marie. Noho tsy fahampian’ny rotsak’orana no voalaza fa mahatonga izany araka ny fampitam-baovao azo. Voatery misotro rano tsy azo antoka ny mponina noho izany raha efa mamely sahady ny aretin-kibo.
 
Karama : Mitaraina noho ny tsy mbola nandraisany ny tambinkaramany ireo mpampianatra FRAM any amin’ny distrikan’i Maintirano, Faritra Melaky. Antso avo no hataon’izy ireo amin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny noho izany indrindra amin’izao ankatoky ny fetin’ny noely sy ny faran’ny taona izao.
 
Londres : Mahatratra 15 sm ny haavon’ny vongan-dranomandry eny amin’ny arabe any Londres omaly maraina. Tsy afa-nandeha na dia ny fiara aza vokatr’izany ary sahirana koa ny mpandeha. Nahatratra ora maromaro vao levona ilay ranomandry araka ny vaovao voaray ka tsy vitsy ireo mpiasa sy mpianatra no tara fidirana.
 
Hita ihany : Hita ihany rehefa nanjavona tsy hita nandritra ny iray volana latsaka ilay tovovavy 20 taona mpianatry ny oniversiten’Antsiranana nanjavona tao amin’ny valan-javaboarin’Ankarana. Noho ny tsy fahitany ny lalana nivoaka no voalaza fa antony iray tsy nahafahany namonjy ny toeram-ponenany. Salama tsy misy ahiana ny tovovavy.
 
Nangonin’i Pati
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT