Fotodrafitrasa : Nahazo birao vaovao ny kaominina ambanivohitra Ambatomena, distrikan’i Manjakandriana. Ny faran’ny herinandro teo no nitokanana tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa vokatry ny ezaky ny vahoaka sy ny Kaominina ankoatra ny fanampiana avy amin’ny ministera mpiahy sy ny faritra Analamanga. Lelavola 45 tapitrisa Ar no lany tamin’ny asa fanamboarana ahitana efitrano fisoratam-panambadiana iray lehibe sy birao maro isan-tsokajiny.
Nitohana : Niteraka fitohanan’ny fifamoivoizana izay tsy izy ny fanapahana hazo nataon’ny pompier teny Ambohijatovo omaly. Misy ireo hazo ahiana hianjera amin’ny tany, ka atahorana handratra olona sy hanimba zavatra amin’izao fahavaratra izao, ka nikapa ireny ny pompier.
Delestazy : Tsy nisy izay tsy nitaraina tamin’ny firongatry ny delestazy afak’omaly alahady hariva ny faritra maro teto an-drenivohitra. Voakasik’izany manokana ny teny amin’ny faritra Itaosy, Soanierana, Ankorondrano. Saika naharitra ora roa sy telo avokoa izany fahatapahan-jiro izany tamin’ireo faritra ireo noho ny antony tsy fantatra. Ankoatra ny delestazy dia marobe ihany koa ny olona no nitaraina fa maro ireo fitaovany mandeha amin’ny herinaratra simba toy ny radio, sy fahitalavitra …
Fikambanana : Niampy iray indray ny fikambanana mandray an-tanana sy misahana ny fampandrosoana any amin’ny distrikan’i Maroantsetra. Tafatsangana ny faran’ny herinandro teo ny fikambanana KMM hanehoana ny hambom-pon’ny tanora amin’ny fampandrosoana ny firenena. Tsy manao politika ny fikambanana araka ny vaovao voaray saingy manome vahana ny tanora tsy hiankin-doha lava amin’ny hafa kosa.
Fety : Efa miaina tanteraka ao anatin’ny fety ny mponina any amin’ny distrikan’i Mananjary amin’izao fotoana izao. Mifanaretsaka ny eny an-tsena amin’ny fividianana entana raha toraka izany ihany koa ny eny anivon’ireo sekoly maro isan-tsokajiny mampifaly ny mpianatra amin’ny alalan’ny fanaovana fety hamaranana ny telo volana voalohany. Tsiahivina fa efa niverina amin’ny laoniny ny televizionam-panjakana any amin’ity distrika ity.
Fotodrafitrasa : Nahazo lycée teknika ny any amin’ny Faritra Melaky. Ny faran’ny herinandro teo no notokanana tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa vokatry ny fifanomezan-tanan’ny hery velona rehetra sy ny fitondrana FAT.
Tontolo iainana : Hohamafisina hatrany ny ady atao amin’ny fiarovana ny tontolo iainana any amin’ny distrikan’Antsiranana I sy II. Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fiofanana natrehin’ireo vondron’olona ifotony any an-toerana, hanentana sy hiresaka mivantana amin’ny mpitondra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, indrindra any amin’ireo faritra arovana.
Niofana : Niatrika fiofanana nandritra ny hefarana ireo mpanabe olon-tsahala any amin’ny distrikan’i Vatomandry manoloana ny ady atao amin’ireo karazan’aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo. Tafiditra tao anatin’ny fiofanana natrehin’izy ireo ny fidirana an-tsehatra eny anivon’ny tokantrano sy ny adihevitra hifanaovana amin’ny tanora eo anelanelan’ny 15 ka hatramin’ny 28 taona. Ny volana aprily taona 2011 ho avy io vao hifarana ny tetikasa.
Fiaraha-miasa : Hohamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny any amin’ny distrikan’Ambilobe ka anisan’ireny ny mpampianatra hahafahana mampiroborobo ny sehatry ny fanabeazana. Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fiofanana natrehin’ireo tomponandraikitra 8 mianadahy voakasika izany.
Fahombiazana : Fahombiazana tanteraka no azo tamin’ilay fifaninanana ara-panatanjahantena nandraisan’ireo Fokontany am-polony anjara mandrafitra ny distrikan’Andapa. Tamberina no anarana nampitondraina ny hetsika. Andiany voalohany izy ity entina hampialana voly ny ankizy sy ny tanora sy hirona amin’ny fanaovana ireo karazan-javatra mamoafady maro isan-tsokajiny.
Nafindra : Natoby ao amin’ny foiben’ny birao-paritry ny ala sy tontolo iainana ao Ampasikabo Toliara omaly ireo bolabola na “bois de rose” 56 isa tratra tao Manantenina. Fiarana miaramila ka kolonely roa sy ny mpamily no tratra niaraka tamin’ny hazo. Nanjavona anefa ireto manamboninahitra roa ireo rehefa tonga tao amin’ny Kaominina Mahatalaky, an-dalana hihazo an’i Tolagnaro, ka ny mpamily no voatana anaovana fanadihadiana.
Tampoka : Nidina tampoka tany Tolagnaro ny jeneraly Camille Vital ny alahady teo ary nipody io andro io ihany. Nifanojo indrindra tamin’ny fahatrarana “bois de rose” tany Manantenina ny andro nidinany tany, ka mipetraka ny fanontaniana na izay no anton-diany na zavatra hafa.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.