Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alatsinainy 20 Desambra 2010


Ho vita tsy ho ela : Ezahina ho vita ao anatin’ny enim-bolana ny hopitaliben’i Toliara araka ny fampanantenana nataon’ny FAT. Faly ny vahoaka nanoloana izany saingy hangatahin’izy ireo kosa ny hanamorana ny sarany aloa eo anivon’ity hopitaly ity, indrindra ho an’ireo zokiolona sy sahirana ara-pivelomana.
 
Côte d’ivoire : Voatery natao fahirano ireo vola rehetra miditra eo anivon’ny kitapom-bolam-panjakana any Côte d’Ivoire mandrapialan’i Laurent Gbagbo, filoha teo aloha nefa mbola am-perinasa ankehitriny, amin’ny toerany. Fanapahan-kevitra noraisin’ny Vondrona iraisam-pirenena izany ho fampiharana ny ara-dalàna dia ny fametrahana an’i Alassane Ouattara izay lanim-bahoaka tamin’ny fifidianana ho eo amin’ny toeran’ny filoham-pirenena. Any amin’ny banky iraisam-pirenena any Afrika noho izany no hametrahana ny vola rehetra azo avy amin’ny hetran’ny cacao sy ny solika.
 
Zotra 133 : Tsy misy tonga ao Tsaralalana intsony, toby fiantsonana vaovao nametrahan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny zotra-pitaterana 133 mihazo an’Itaosy isan’andro indrindra fa rehefa harivariva iny. Saika mihodina any Ampefiloha sy Isotry avokoa ny ankamaroan’izy ireo noho ny fitohanan’ny fiarakodia sy ny hamaroan’ny olona mifamezivezy manodidina an’i Tsaralalana.
 
Natolotra omaly : Natolotry ny filohan’ny FAT omaly alahady 19 Desambra ireo mpino ao amin’ny anglikana, Santa Stefana Anatihazo ny fiangonan’izy ireo rehefa avy nasiam-panarenana nandritra ny enim-bolana latsaka taorian’ny nahamaizany ny volana jona lasa teo. Fotoam-pivavahana nentina nisaorana sy nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra no nisantarana ny fihaonan’ny roa tonta.
 
 Tapitra : Hifarana amin’ity taona 2010 ity ilay tetikasa AFAKA ady amin’ny fahantrana ho an’ny isan-tokantrano vatsian’ny fiombonambe Eoropeanina notontosaina tany amin’ny distrikan’i Mahanoro sy Vatomandry. Valo volana no faharetan’izany ka anisan’ny nomena tombon-dahiny manokana ireo tantsaha mpamokatra milofo amin’ny famokarana ny voly fanondrana toy ny jirofo, ny kafé, ny dipoavatra… Kaominina 28 no nahazo tombontsoa tamin’izany.
 
Fanomezana : Fotsimbary folo gony niampy «friperie» fonosana iray no natolotry ny faritra Atsinanana ireo olona niharan’ny hain-trano tao Ilaka Atsinanana, distrikan’i Vatomandry ny faran’ny herinandro teo. Toerana fandraisam-bahiny iray no niavian’ny afo raha tsiahivina raha trano 18 tafo kosa no lasibatra.
 
Hazo sarobidy : Hazo sarobidy «bois de rose» miisa 56 no saron’ny tomponandraikitry ny rano sy ny ala any amin’ny distrikan’i Tolagnaro tao Manambato, Kaominina ambanivohitra Manantenina omaly alahady 19 desambra. Fiarabena miaramila no voalaza fa nitondra ireo hazo sarobidy ireto handeha hivoaka ny tanàna. Anio no hotontosaina ny fanadihadiana mikasika ireto hazo sarobidy ireto sy ny tompony, araka ny vaovao voaray.
 
Mpangalatra kisoa : Mirongatra ny mpangalatra kisoa eny amin’ny kaominina Ampitatafika sy Alakamisy Atsimondrano eny. Noho ny fahatongavan’ny fety no mahatonga izany, araka ny fanazavan’ny mponina. Tokantrano am-polony izao no efa lasibatra. Hetahetan’ny mponina noho izany ny mba handraisan’ny mpitandro ny filaminana ny andraikiny ho fiarovana ny ain’izy ireo sy ny fananany.
 
Mariazy hafakely : Mpirahalahy iray tampo no natao mariazy tao amin’ny Fjkm Anosipatrana ny sabotsy 18 desambra lasa teo. Samy nanana ny fiara nitondra azy izy ireo. Ny nahavariana anefa dia tsy lavitra fa teo amin’ny salles d’œuvre katolika ihany no natao ny fisakafoanana sy ny fikoranana niaraka tamin’ny fianakaviana. Izy mirahavavy nakarina kosa dia samy hafa mihitsy, izany hoe tsy iray tampo. Noho ny hasarotan’ny fiainana sa efa nifanarahan’ny efa-tonta ?
 
Nofoanana : Tokony ho notanterahina anio raha raikitra ny fifidianana Ben’ny tanàna teto Madagasikara. Nofoanana izany ary tsy mbola fantatra izay hanatanterahana azy indray.
 
Fanomezana : Ankizy miisa 800 avy amin’ny Fokontany enina, dia Andralanitra, Anosibe, Andohatapenaka, Saropody, Cité Amboanjobe ary “Villa Fanomezana” Amboanjobe, no nizaran’ny fikambanana FITIA, tarihin-dRtoa Mialy Rajoelina fanomezana omaly, amin’izao ankatoky ny noely izao. Izy tenany no tonga nizara izany teo anoloan’ny Lapan’ny tanàna Analakely no nanatanterahana izany omaly.
 
Tsy nety lafo : Navadika hotely “kintana 5” ary notokanana ny sabotsy 18 desambra teo ireo trano miisa 54 namboarina, fiaraha-miasa tamin’ny Sinoa, eny Antanetibe Antehiroka saika handraisana ireo filoham-pirenena sy filoham-panjakana handray anjara tamin’ny fihaonana an-tampony faha-13 ny firaisambe Afikana tokony ho natao teto ny volana jona 2009. Namidy koa ireo trano ireo saingy tsy nety lafo, dia izao natao hotely izao.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT