Miomana : Miomana fatratra amin’ny fiatrehana ny loza voajanahary ny mponina any amin’ny distrikan’i Sainte Marie. Nisy ny atrikasa notontosaina mikasika izany natao tany an-toerana afak’omaly alarobia, natrehin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny. Nivoitra nandritra ny resaka nifanaovan’izy ireo fa hohamafisina hatrany ny fiatrehana ny loza voajanahary any amin’ity distrika ity, hiarovana ireo loza maro isan-tsokajiny mety haterany, indrindra fa ny fahafahatesan’olona.
Fanomezana : Nizara fanomezana ho an’ireo olona marefo sy sahirana ara-pivelomana monina ao an-drenivohitr’i Tolagnaro ny Fondation Telma. Afak’omaly alarobia no nanatontosany izany. Fotsimbary 20 gony sy omby roa no nozaraina tamin’ireo voakasika ankoatra ny tee-shirt sy vatomamy nomena ny ankizy madinika. Tsiahivina fa ity fondation telma ity no anisan’ny nanampy betsaka ny asa fanadiovana tsena sy fanamboaran-dalana tao an-drenivohitr’i Faradofay.
Fandriampahalemana : Kaominina roa no fantatra ankehitriny fa tena tsy milamina mihitsy ao anatin’ny distrikan’i Mahanoro ka tsy maintsy hitadiavam-bahaolana. Fantatra izany nandritra ny dinikasa niarahan’ireo tomponandraikitra miadidy ny filaminam-bahoaka any an-toerana ny alarobia lasa teo. Amin’izao ankatoky ny fety izao dia hisy ny fandraisana fepetra manokana hahafahan’ny vahoaka mifety amim-pilaminana.
Fandriampahalemana : Nanatontosa atrikasa momba ny fandriampahalemana ireo tomponandraikitra any amin’ny distrikan’i Mananara Avaratra. Ny mba hahafahan’ny mponina manao fety sambatra ao anatin’ny filaminana no tanjona, lavitry ny korontana. Araka ny fantatra mantsy dia nirongatra izaitsizy ny asan-dahalo tany amin’ity distrika ity tato ho ato ka nampitaraina ny mponina.
Kila : Fiara Renault Express iray no nirehitra tampoka teny ampandehanana omaly. Namono motera ny mpamily tao anaty fitohanan’ny fiara. Raha iny hamelona fiara hiainga indray iny anefa no nirehitra tampoka tao anaty “capot”. Nifamonjena ny namono ny afo. Nisy trano andalam-panamboarana moa tsy lavitra teo, izay nanana tobim-pasika ka iny no nampiasain’ny olona nifehezana ny afo tsy hiitatra. Na izany aza lehibe ihany ny fahavoazana. Fiara mpanatitra mofo dipaina izy ity. Teny Andoharanofotsy no nitrangan’izany omaly hariva.
Nitokona : Ela ny ela fa nilanja sorabaventy nanatona ny birao misy ny JIRAFI mpamatsy herinaratra ny mponina ao Fandriana ireo vahoaka any an-toerana omaly. Noho ny fahatapahan’ny jiro matetika no mahatonga izany ka nampihitsoka ny asa fitadiavam-bolan’ny tokantrano maro toy ireo tsena mpivarotra enta-madinika mampiasa vata fampangatsiahana…
Fotodrafitrasa : Nahazo fitaovana sy fotodrafitrasa avy amin’ny fikambanana MDM Distrikan’Ambohidratrimo ny fikambanan’ireo tantsaha mpamokatra miisa telo ao anatin’ireo kaominina efatra manodidina dia ny kaominina Antehiroka, Ambatolampy Tsimahafotsy, Ivato Aeroport ary Ivato Firaisana. Afak’omaly alarobia no natolotra tamim-pomba ofisialy ny fitaovana ankoatra ny fanajariana ny tata-drano hahafahana manondraka ireo velaran-tany 360 ha.
Tsangambato : Hotokanana anio ny tsangambato eo anoloan’ny Lapan’ny Antenimierandoholona Anosikely manamarika ny faha-50 taonan’ny foloalindahy malagasy. Talohan’ny 26 jona no daty voafaritra hitokanana azy io, saingy nisy tsy fetezana tamin’ny ora farany ny sary vongana natao teo aminy, ka dia nosaromana lambatsilena nandritra ny enim-bolana teo, dia izao ho tokanana izao.
Hopitaly : Hatao anio ny lanonana hametrahana ny vatofototry ny asa fanorenana ny hopitaly vaovao ao Toliara nampanantenain’i Andry Rajoelina. Raha tsy misy ny fiovana dia ho avy any an-toerana hanatanteraka izany ity farany.
Fiarahamonim-pirenena : Hivory etsy Tsiadana amin’ity anio ity ny vovonam-pirenen’ny fiarahamonim-pirenena (PFNOSCM). Andrasana amin’izay ny hevitr’izy ireo momba ny raharaham-pirenena sy ny fikaroham-bahaolana hivoahana amin’izao krizy izao.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.