Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alarobia 15 Desambra 2010


Mitaraina : Mitaraina noho ny tsy fananany fitaovana hoenti-miasa ny Birao Iombonana misahana ny Fananantany any amin’ny distrikan’i Morondava. Tara ny fampitaovana azy ireo raha oharina amin’ny Birao Ifotony momba ny Fananantany na BIF araka ny fanazavana azo ihany koa hiantsoan’izy ireo ny tomponandraikitra. Eo andaniny anefa mitombo isa hatrany ireo olona tonga mikarakara antontan-taratasy mandalo ao amin’ity birao iombonana misahana ny fananantany ity.

Gaboraraka : Tsy araka ny nifanarahana teo aloha intsony ny asa fivarotana lodsia ao Toamasina renivohitra. Afaka manao izany avokoa mantsy ny rehetra araka ny vaovao ka tsy manara-penitra toy ny teo aloha intsony ny vokatra hamidy. Misy amin’ireo mpivarotra no mivarotra lodsia manta sy madinika raha misy koa ireo mivarotra ny vaventy. Eo andaniny anefa mitovy ihany ny vidiny ka mahatsiaro ho maty antoka ny sasany.
 Hahena : Tsy azon’ireo fiara fitateram-bahoaka hivezivezena be loatra toy ny teo aloha intsony ny ao Analakely sy ny manodidina. Hihatra amin’ity herinandro ity io fanapahan-kevitra io. Ho an’ny zotra-pitaterana 133 manokana dia efa niala teo amin’ny toby fiantsonana mahazatra azy ity kaoperativa ity. Toraka izany koa ny hafa.
CEPE : Na dia tsy dia mahazatra ny maro loatra aza ny fakana ireny “attestation” na taratasy manamarina ny fahafaham-panadinana CEPE ireny dia maro ihany ireo maka izany araka ny fanadihadiana natao. Mahatratra am-polony isan’andro ireo tonga maka izany ilaina amin’ny asan’ny ray aman-dreny na koa ny tohin’ny fianaran’ilay zaza.
Volamena : Mitombo isa hatrany ireo olona mitady volamena hovidiana etsy Analakely. Miandahy miambavy izy ireo ka ny Renim-pianakaviana na ny vehivavy no tena hanontaniany. Manodidina ny 20.000 ariary no hividianan’izy ireny ny iray grama raha misy ihany koa ireo vidiny amin’ny ambongadiny fotsiny ihany.
Lafo : Mahazo tombony ireo mpivaro-paiso ao an-drenivohitr’i Vakinankaratra raha oharina tamin’ny taon-dasa. Tsy dia nisy loatra mantsy ny vokatra tamin’ity taona ity, antony iray nahatsara ny vidim-bokatra. Na izany aza mahatsiaro ho sahirana kosa ny mpividy noho ny halafosany.
Fety : Efa tena miaina tanteraka ao anatin’ny fety eto an-drenivohitra na dia mamely mafy aza ny krizy. Porofon’izany ny fitombon’ny isan’ireo mpivarotra eny amoron-dalana indrindra fa ny eny Analakely sy ny manodidina. Na izany aza tsy dia mbola tsara loatra ny tsena araka ny fanadihadiana natao.
Lapan’ny Tanàna : Nisokatra ho azon’ny besinimaro tsidihina ny Lapan’ny Tanàna vaovao eo Analakely. Ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tanànan’Antananarivo, Edgard Razafindravahy mihitsy no nitarika izany omaly ary nanazava ankapobeny ny zava-misy, ka nanamafisany ny maha zava-dehibe ny hananan’ny tanàna ny sata manokana mifehy azy amin’ny maha renivohi-pirenena azy.
Foana : Tsy raikitra ny fananganan-tsaina tokon’ny ho nataon’ny mpiasan’ny Kaominina teo anoloan’ny Lapan’ny Tanàna vaovao Analakely ny alatsinainy maraina teo. Nisy teny midina avy ao Ambohitsorohitra milaza amin’ny Kaominina hanalan’ity farany ny entana efa notaominy nankao ny alahady, hiasana ny alatsinainy, fa hoe mbola misy ilaina ny trano. Foana nanaraka izay ny fananganan-tsaina efa nomanina hatao io alatsinainy io sady ho fisantarana ny Lapa vaovao.
Lycée : Lycée an’ny fanjakana vaovao maromaro no nahazo fankatoavana fa hosokafana. Anisan’izany ny ao Ambohitrolomahitsy, Iakora, ambanivohitr’Analalava. Hampitondraina ny anaran’i Justin Manambelona koa ny Lycée Mananjary manomboka izao. Anisan’ny tapaka nandritra ny filankevitry ny governemanta omaly ireo.
Roa sosona : Samy nahitana hetsiky ny mpanohitra na tao amin’ny Magro Behoririka na teny amin’ny Villa Elisabeth Ivandry omaly. Niverimberina tamin’ny lahateny nifandimbiasa ny hoe ny fahafantaran’izao tontolo izao ny olana eto Madagasikara no mampivezivezy azy ireo eto sy ny hoe tsy mbola teraka dia maty ilay Repoblika faha-4. Hitohy amin’ity anio ity ny hetsik’izy ireo.
Mitohy : Miasa mangina saingy mitohy ny fihaonana sy ny fihainoan’ny iraky ny SADC tarihin’ny Dr Leonardo Simao ny ankolafinkery politika misy eto. Nifandimby noraisiny teny amin’ny tranon’ny Masoivohon’ny Firenena Mikambana eny Andraharo ny avy amin’ny Escopol, nahitana an’ny Pr Tehindrazanarivelo sy Alain Andriamiseza, sy ny delegasiona avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana, nahitana an’i Mamy Rakotoarivelo, Manandafy Rakotonirina, Ravatomanga Rolland, Yves Aimé Rakotoarison, Me Hanitra Razafimanantsoa ary i Andriamihanta Benjamin, mpitsara. Dinika tsy azo natrehina izy ity ary tsy nisy nipika rahateo izay nifampiresahana tao.
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT