Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alatsinainy 13 Desambra 2010


Fahombiazana : Fahombiazana no azo tamin’ilay fampisehoana an-kira nampitondraina ny lohateny hoe : opéra rock akelakelatrano notontosaina teny amin’ny Centre de Conférence eny Ivato ny faran’ny herinandro teo. Sambany no nisy fampisehoana an-kira tahaka izao teto amintsika, nanehoana ny zava-misy iainan’ny fiarahamonina ankehitriny sy hitaiza ny mpiara-belona. 

Côte d’ivoire : Naaton’ny Vondrona Afrikana tsy ho mpikambana ao aminy intsony i Côte d’Ivoire, taorian’ny nisian’ny disadisa teo amin’ny Alassane Ouattara sy Gbagbo izay samy milaza ny tenany ho lany tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa natao tany an-toerana. Na izany aza tsy mbola nisy ny fifamaliana mivantana teo amin’ny roa tonta.
 
 Sambaina : Nitombo avo telo heny ny voka-bary any amin’ny Kaominina ambanivohitra Sambaina, Faritra Vakinankaratra taorian’ny fampiharana ilay tetikasa «Village du Millénaire» vatsian’ny Firenena Mikamba vola. Nanomboka ny taona 2008 no nampiharana ny tetikasa tany an-toerana, haharitra dimy taona.
 
Fiofanana arak’asa : Ny faran’ny herinandro teo no navoaka tamim-pomba ofisialy tao amin’ny kaominina ambonivohitra ireo mpianatra am-polony mianadahy nanaraka ny fiofanana arak’asa toy ny zaitra tao amin’ny GICA. Andiany voalohany ireto navoaka ireto raha ity GICA ity ihany koa no ivontoeram-piofanana arak’asa voalohany tsy miankina amin’ny fanjakana any an-toerana.
 
Sembana : Hisokatra ny volana janoary taona 2011 ho avy io ilay trano fianarana natokana handraisana ireo sembana ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambano, distrikan’Antsirabe II. Hiompana amin’ny fanofanana ireo ankizy mpianatra amin’ny lafiny fambolena sy ny fiompiana ny fanofanana. Tompon’antoka amin’izany ireo masera mivondrona ao amin’ny Notre Dame de la Salette.
 
Famokarana : Nosokafana ny faran’ny herinandro teo tany amin’ny faritra Sofia ny taom-pambolem-bary taona 2010-2011 ho an’ity faritra ity. Nivoitra nandritra ny kabary nifandimbiasan’ireo tomponandraikitra ny amin’ny tokony hisian’ny ezaka hatrany, indrindra ho an’ny tantsaha mpamokatra ankoatra ny fanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny mpamokatra sy ny mpanjifa ary ireo mpandraharaha.
 
Tonga vahiny : Mpizahatany vahiny teratany alemana manodidina ny 266 isa no tonga ao an-drenivohitr’Antsiranana nanomboka ny faran’ny herinandro teo. Ny fiandohan’ny volana desambra lasa teo izy ireo araka ny vaovao voaray no niainga tany amin’ny toerana misy azy hitety sy hijery ireo faritra manan-tantara any amin’ny ranomasimbe indiana.
 
Miomana sahady : Miomana sahady amin’ilay basesa andiany fahatelo hotontosaina any amin’ny distrikan’i Mahanoro ny taona 2011 ho avy io ireo vondron’ny mpandraharaha any an-toerana. Ny mba hampahomby hatrany ny hetsika no tanjona hahafahana manasongadina sy manome lanja hatrany ny toekarena any amin’ity faritra ity. Tsiahivina fa ny faran’ny herinandro teo no nifarana tamim-pomba ofisialy tany an-toerana ilay basesa andiany faharoa.
 
Fizarana hena : Olona sahirana an-jatony ao anatin’ireo fokontany 32 isa mandrafitra ny boriborintany fahefatra omaly alahady no nozaraina hena 400 grama isanisany. Olona 40 isam-pokontany no nalaina tohin’ny lanonana fanokanana ny lapan’ny tanàna tetsy Analakely afak’omaly sabotsy. Omby dimy no novonoina tamin’izany, fanomezana avy amin’ny fitondrana FAT.
 
Cantine Scolaire : Nahazo cantine scolaire ny mpianatra eo anivon’ny EPP Mandimbisoa any amin’ny kaominina ambanivohitra Sambaina, distrikan’i Manjakandriana. In-telo isan’andro no hanomezana sakafo maimaimpoana ireo ankizy mpianatra ao amin’ity sekoly ity vokatry ny fanampian’ny malala-tanana sy ireo hery velona miara-miasa amin’ny kaominina.
 
Tetezamita iraisana : Mbola tsy mitsangana akory ny tetezamita iraisana dia ny sasany hanao Repoblika faha-4. Olona hatolotry ny Ankolafy Telo no ekena ary ny hira fanevan’ny Tiako i Madagasikara dia miteny fa i Ravalomanana no mitondra antsika fa tsy i Raharinaivo”, hoy i Mamy Rakotoarivelo, Sekretera jeneralin’ny antoko Tiako i Madagasikara tao amin’ny Magro Tanjombato nandritra ny fankalazana ny faha-61 ny filoha Marc Ravalomanana.
 
Tsenan’ny noely : Hanomboka anio 13 desambra 2010 ary hitohy hatramin’ny 02 janoary 2011 ny tsenan’ny noely eto Antananarivo renivohitra. Eny Mahamasina ihany no hisian’izany amin’ity indray mitoraka ity.
 
Nangonin’i Pati
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT