Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Zoma 10 Desambra 2010


Sarona : Saron’ny mpitandro ny filaminana ny zoma 04 Desambra lasa teo tao an-drenivohitry ny Faritra Alaotra Mangoro ilay lehilahy iray nitondra basy poleta mahery vaika fampiasan’ny mpitandro ny filaminana. Teo amin’ny rond point manakaiky ny kolejy Saint Joseph no nahatrarana ity lehilahy ity niaraka tamin’ny namany telo. Ankoatra ity basy poleta ity no nahatrarana bala miaraka amin’ny tranony ihany koa tany amin’izy ireo. Na izany aza anefa mbola tafaporitsaka ihany ny telo.
 
Tratra : Sarona ihany rehefa ela ny nitoratorahana ilay tambajotrana mpamaky trano iray nampikolay ny vahoaka tany amin’ny fokontanin’Andavoanio, distrikan’i Mananara Avaratra. Miisa 12 izy ireo, valo lahy efa-bavy miaraka amin’ireo karazana fitaovana toy ny antsy maranitra sy ny famaky. Tsiahivina fa tsy ity Fokontany irery ity ihany no nahita faisana tamin’ireto tambajotrana jiolahy mpamaky trano ireto.
 
Ady amin’ny valala : Vaky ny ady amin’ny valala any amin’ny distrikan’i Mandoto faritra Vakinankaratra. Lohalaharana nanaovana ny hetsika ireo toerana mampiahiahy ny mponina ho nisy atodim-balala ankoatra ny faritra rehetra mampanahy. Miara-misalahy amin’ny mponina amin’ny fanatontosana izany ny DRDR any an-toerana.
 
Nihaona : Nihaona tamin’ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana vaovao any amin’ny distrikan’i Mananara Avaratra ireo talen-tsekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana miisa 16 any amin’ity distrika ity ny fiandohan’ny herinandro teo. Ankoatra ny famahavahana izay mety ho endriky ny fiaraha-miasan’ny roa tonta dia nisy ihany koa fanaovana tombana ny asa vita hahafahana manatsara hatrany ny ho avy.
 
Côte d’Ivoire : Mankato ny fahalanian’i Alassane Ouattara ho filoha Ivoriana  ireo firenena afrikanina tandrefana mivondrona ao anatin’ny CDEAO. Mangataka ny haneken’ny Firenena Mikambana izany ireto farany raha nanambara kosa ireo firenena manohitra izany fa maro ireo trangan-javatra tsy nety nandritra iny fifidianana filoham-pirenena notanterahina tany Côte d’Ivoire iny ka tsy azo ekena.
 
Ady amin’ny kolikoly : Tamin’ny fomba miavaka tokoa no nanamarihana ny andro manerantany iadiana amin’ny kolikoly omaly alakamisy tao an-drenivohitr’Antsiranana. Nitarika ny lanonana ny birao mahaleo tena iadiana amin’ny kolikoly tao anatin’ilay lohahevitra hoe : tanora manda ny kolikoly antoky ny ho avy. Filaharam-be namakivaky ny tanàna no nisantarana ny fotoana raha ny 04 desambra lasa teo no efa nanomboka ny hetsika.
 
EKA : Raikitra ny Ezaka Kopia ho an’ny Ankizy na ny EKA any amin’ny Kaominina ambanivohitra Andranovolahy, distrikan’i Toamasina II. Ny 14 sy ny 15 desambra ho avy io no hanatontosana izany ka anisan’ny hahazo tombontsoa manokana ireo zaza vao teraka ka hatramin’ny 18 taona tsy mbola manana kopia mari-pahaterahana. Hisy ihany koa ny fijerena ireo olon-dehibe manana kara-panondro nefa tsy manana kopia.
 
Toekarena : Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly tany amin’ny distrikan’i Brickaville ary haharitra efatra andro ilay hetsika ara-toekarena hanehoana ireo vokatra mampalaza ity distrika ity. Tompon’antoka amin’izany ny faritra atsinanana, ny fikambanan’ny tantsaha misahana ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra ary ny Lycée Privée de Madagascar. Sambany no nisy hetsika tahaka izao tany amin’ity distrika ity.
 
Zon’ny ankizy : Kaominina efatra amin’ny dimy misy ao anatin’ny distrikan’i Morondava ankehitriny no efa ahitana ireo rantsamangaikan’ny komity mpandrindra sy mpiaro ny zon’ny ankizy. Nisy ny fivoriana izay notontosain’izy ireo tany an-toerana afak’omaly alarobia niarahana tamin’ny talem-paritra miadidy ny mponina. Nivoitra nandritra ny dinika nifanaovan’ny roa tonta ny fanatsarana hatrany ireo paikady hoenti-miasa indrindra amin’io taona 2011 ho avy io.
 
Mikolay : Mikolay noho ny fitohanan’ny fiarakodia eto an-drenivohitra ireo mpampiasa lalana sy mpamily. Tsy misy izay toerana tsy ahitana izany, eny fa na dia ny digue izay toerana tsy tokony ahitana fitohanana aza. Izao tokoa vao tsapan’ny olona fa azo hanina ny lalana.
 
Fitaterana : Hisy hetsika hanana endrika “salon” ho an’ny fitaterana an-tanety, hotanterahina eto an-drenivohitra amin’ny volana mey 2011. Eo amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina no hanaovana azy io. Etsy ankilan’izay dia fantatra fa hanorenana toby fiantsonan’ny fiarakodia vaovao eo Androndrakely Antananarivo, hamindrana ireo kaoperativa mpitatitra mitoby eo amin’ny Fasan’ny Karana
 
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT