UB 40 : Araka ny fantatra dia nanafatra ilay tarika mpihira UB 40 ny FAT hanafana ny lanonana karakarainy ao amin’ny kianjaben’i Mahamasina amin’ny sabotsy 11 desambra ho avy izao, handraisana ny Repoblika faha-4. Ny loharanom-baovao no milaza fa 300 tapitrisa ariary any no nanafarana ity tarika anglisy niforona tao Birmingham ny taona 1978, malaza tamin’ny hira “red red wine” ity.
Avoahy : Nanatevina ny hetsiky ny Ankolafy Telo ny Fikambanan’ny Ben’ny tanàna manerana ny Nosy (AMM). Nandray fitenenana tao amin’ny kianjan’Alarobia ny filoha lefitry ny AMM nitondra teny ireo namany, mitaky ny hamoahana tsy misy fepetra an’i Guy Maxime Ralaiseheno, filohan’izy ireo, toy izay koa ireo mpitari-tolona.
Aza misasatra : “Ho anareo namana lasa miara-miasa amin’ny FAT, teneno i Andry avohay ireo gadra politika rehetra ka rehefa tsy manaiky izy dia miala ao ianareo. Raha toa kosa moa ka tsy miala ianareo dia seza sy vola no tadiavanareo. Raha mifoha avy any andrefana ny masoandro dia mahazo fankatoavana iraisam-pirenena ianareo raha tsy mbola ao ny ankolafy telo ka aza misasatra”, hoy i Yves Aimé Rakotoarison
Mbola ireo ny vahoaka : «Vita iny ny 17 novambra ary nihevitra izahay fa tsy hanana vahoaka intsony nefa mbola indreo ianareo vahoaka (…) Mizotra toy ny any Cote d’Ivoire ny raharaha eto Madagasikara ka rehefa tsy mety mifampiresaka sy mampifila dia miala», hoy i Harison Razafindrakoto mpitondra tenin’ny HPM ao amin’ny Ankolafy Zafy Albert.
Tsy mahalala olona : Tsy mahalala olona intsony no sady tsy mahalala izay lazainy i Germaine, ilay tovovavy iray nandeha niasa tany Liban tonga teto an-tanindrazana ny faran’ny herinandro teo. Very saina ity tovovavy ity raha tsiahivina ary mbola tsaboina etsy amin’ny toerana fitsaboana olona marary saina etsy Befelatanana. Tsy manan-kavana eto Antananarivo moa i Germaine fa namany iray sendra nahita azy no mikarakara azy amin’izao fotoana.
Fakana piesy : Namoaka fanambarana ny Fiadidiana ny FAT omaly fa dia homena hampiasain’ny kaompania Air Madagascar ny ilay Boeing 737 – 300 mitondra ny laharana 5RM – RM, fantatra amin’ny hoe “Air Force One” voalohany, mba hanampy ireo fiaramanidina miasa ao ary dia anjaran’ny Air Madagascar no mandray an-tanana ny fampandehanana azy. Azon’ny FAT ampiasaina anefa raha misy ilany azy saingy mandoa ny sarany mifandraika amin’izany izy. Ny marina dia ny taona 2006, no efa natolotry ny filoha Ravalomanana ny kaompania Air Madagascar io Boeing 737 – 300 io, taorian’ny diany tany Indonezia. Efa mitondra ny lokon’ny Air Madagascar rahateo izy io saingy lafo ny fikojana, hany ka lasa fakana piesy nampandehanana ireo boeing an’ny Air Madagascar tao sisa, ary nikatso am-pitoerana fotsiny. Nikoropaka ny Air Madagascar rehefa nivoaka ny fanambarana omaly, ka voatery hamerina amin’ny laoniny ireo piesy nesorina taminy indray mba hisidinany.
Aretina homamiadana : Tontosa soa aman-tsara tany amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana ny talata teo ilay fitiliana ny aretina homamiadan’ny nono nokarakarain’ny fikambanam-behivavy Soroptimist international. Fanentanana narahina fampahafantarana ny mety ho voka-dratsin’ny aretina no nisantarana ny fotoana izay marihina fa notontosain’ireo dokotera mpikambana ihany.
Fampitaovana : Nahazo solosaina folo avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka toy ny olom-pirenena tomponandraikitra sy ny fikambanana hafa avy any ivelany ny lycée teknika ao amin’ny distrikan’i Manakara. Omaly no nanolorana tamim-pomba ofisialy ireto fitaovana ireto entina hanampiana ny mpianatra amin’ny fampivelarana azy ireo. Nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonana ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny any an-toerana.
Nisahotaka : Nisahotaka tao Toliara tampon-tanàna omaly. Nisy trakta niely mantsy mandrahona ny mpihavy indrindra ny Merina, ary manome fe-potoana 24ora ireto farany hiala ao an-toerana. Olon-tsy fantatra no nanely azy ity. Ankoatra izay dia nitrangana savorovoro ihany koa tao amin’ny Lycée Antaninarenina. Ny andian’olona nitora-bato ireo fiara sy olona nandalo io faritra io aza omaly. Fifandraisana marisarisa amin’ny Proviseur no fototry ny olana.
Niravona : Niravona ihany ny olana niseho tao amin’ny distrikan’i Maintirano taorian’ny fanelanelanana nataon’ny lehiben’ny distrika tamin’ny Ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina ary ny mpiasa. Raha tsiahivina dia nofantsihin’ireto farany ny varavaran’ny biraon’ny Kaominina ny 03 desambra lasa teo noho ny tsy fankasitrahany ny Ben’ny tanàna. Sahirana ny mponina nanoloana izany ka tsy maintsy niditra an-tsehatra ny tomponandraikitra. Efa niravona ny raharaha ankehitriny. Na izany aza mbola ambenana mpitandro ny filaminana hatrany ny varavaran’ny Kaominina.
Bekotro Maroholatra : Mafy ny mahazo ireo Bekotro Maroholatra akanga sisa nanamborana nitolona tamin’ny 1947. Lasa atao fitaovana enti-mangataka sisa ilay karatra maha mpitolona. Ny vola fanampiana azy ireo isan-telovolana mantsy tsy mbola azo hatramin’izao ny telovolana fahatelo, izany hoe ny volana septambra. Ny taona anefa ity efa ho tapitra. Re anefa izao fa handaniam-bola be ary hanafarana mpanakanto avy any ivelany mihitsy ilay hetsika hatao amin’ny sabotsy vokatry ny fahalanian’ny lalàmpanorenana. Sao dia hanody !
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.