Antsiranana : Izahay mpampianatra no nanapa-kevitra ny hampiato ny fanadinana rehefa nisy ny kiririoka ka nifampitaona ny mpianatra, hoy ny sojaben’ny fakioltean’ny teny sy ny haisoratra ao amin’ny oniversiten’Antsiranana, mikasika ny zava-nitranga ny tolakandron’ny alatsinainy 25 oktobra, tokony ho nanaovan’ny mpianatra fanadinana amin’ny taranja ampianarin’ny ministry ny fampianarana ambony, Tongavelo Athanase.
Delestazy : Mamely ny delestazy any amin’ny distrikan’i Mandoto. Misedra olana tanteraka noho izany ireo tomponandraikitra misahana ny herinandro ho an’ny fahasalaman’ny Reny sy ny zaza manoloana ny fitehirizana ireo vaksiny anaty vata fampangatsiahana. Eo an-daniny anefa dia mazoto aoka izany ny mponina, indrindra ireo Renim-pianakaviana mitondra vohoka.
Tapaka : Tapaka nanomboka ny talata 26 oktobra ny tetezan’i Manomba ao anatin’ny distrikan’i Maintirano mampifandray ireo Kaominina valo ao an-toerana. Manano sarotra tanteraka ny famatsiana ny mponina vokatr’izany, indrindra ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro.
Miaka-bidy : Miaka-bidy avokoa ireo karazan’entana fampiasa amin’ny fiainana andavanandro eny anivon’ireo toeram-pivarotana enta-madinika maro eto an-drenivohitra. Voakasik’izany ny siramamy sy ny savony. Tsy vitsy ireo mametra-panontaniana vokatr’izany. Hatramin’ny nisian’ity Tsena Mora ity mantsy no tena nampiakatra ireo vidin’entana ireo.
Fampianarana ambony : Mpianatra roa avy ao amin’ny oniversiten’Antsiranana no fantatra fa nahazo vatsimpianarana hanohy ny fianarany any Kanada. Izany dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny oniversiten’Antsiranana sy ny Western Ontario University.
Toetr’andro : Misy rivodoza mihaodihaody any amin’iny tapany avaratry ny nosy iny amin’izao fotoana izao. Na izany aza dia tsy mbola misy fiantraikany amin’ny toetr’andro eto an-toerana aloha hatreto izany. Raha ny tombana dia 10 eo ny rivodoza mety handalo eto amintsika.
Bois de rose : Hatrany amin’ny 52 tapitrisa dolara any ny fatiantok’i Madagasikara ho an’ny taona 2009 vokatry ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny bois de rose. Nandritry ny COP 10 any Nagoya, Japon no namantarana izany.
Lay misy ody moka : Tonga any amin’ny distrikan’i Mahabo ireo lay misy ody moka an-jatony hozaraina maimaimpoana amin’ireo tokantrano any an-toerana. Ny tanjona, araka ny vaovao voaray dia ny mba hahazoan’ny mponina rehetra izany indrindra ireo monina any amin’ny faritra lavitra andriana. Anisan’ny toerana be moka mantsy ity distrika ity.
Voavaha : Izay vao voavaha tanteraka ny olana mikasika ilay fanalana ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana tany Ambanja, ka nilaharan’ireo mpampianatra am-polony. Niverina nandamina ny raharaha tany an-toerana indray mantsy ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena any amin’ny Faritra DIANA nitondra ny “note de service” navoakan’ny Ministera foibe.
Tsy mahafa-po : Mafana ny fanentanana amin’ny fanamarihana ny herinandro ho an’ny fahasalaman’ny Reny sy ny zaza any amin’ny distrikan’i Manakara. Mbola zaza telo amin’ny dimy mantsy araka ny fanadihadiana natao no vita vaksiny fiarovana amin’ny kitrotro any an-toerana vokatry ny tandrevaka hataon’ny Ray aman-dreny.
Fifaninanana : Hotanteraina ny sabotsy 30 Oktobra 2010 izao isaky ny kaompanian’ny Zandarimariam-pirenena manerana ny nosy ny fifaninanam-pirenena hidirana ho mpianatra ho Zandary andiany faha-68 (taom-pianarana 2010-2011). Ho an’Antananarivo sy ny manodidina dia hatao peta-drindrina eny amin’ny Tobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena nisoratany anarana manomboka anio alakamisy 28 Oktobra 2010 ny lisitr’ireo mpiadina nahafeo fepetra sy ny efitrano hanaovany ny fifaninanana, izay eny amin’ny amin’ny CEG Nanisana.
Habibiana : Tamin’ny fomba feno habibiana no namonoan’ny dahalo ny Sefo fokontany taloha, ao Mahabe, any ambanivohitra Ambatoboeny. Dahalo 12 lahy no nanafika ny tanàna ny marainan’ny 14 oktobra. Vao nahita azy ireo ilay sefo Fokontany dia nitalaho mba tsy hovonoina, fa raha vola no ilaina dia omeny. Tsy nihambahamba anefa ny iray tamin’ireo dahalo fa nikapa avy hatrany tamin’ny famaky ny lohany, rehefa izay dia nodidian’izy ireo ny tendany, avy eo notetehan’izy ireo toy ny hena ny vatany manontolo. Nangonin’ireo dahalo avokoa ny vatan-dehilahy, ny vehivavy kosa noteren’izy ireo hahandro azy. Rehefa izay dia noteren’ireo olon-dratsy hohanin’ny tao an-tanàna. Izy ireo niambina tamin’ny basy. Zara raha misy olona ao Mahabe ankehitriny fa lasa nandositra.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.