Actualités

VAOVAO TAPATAPANY 13


  • Alakamisy 13 Janoary 2011


Nandalo tany amin’ny distrikan’i Fenoarivobe ny fiandohan’ny herinandro teo ny iraka avy amin’ny CENI. Foto-dian’izy ireo tany an-toerana ny nihaona tamin’ny komity manokana misahana ny fifidianana any an-toerana nanome ireo toromarika sy ny tsara ho fantatra rehetra momba ny fifidianana hotontosaina amin’ity taona ity manerana ny Nosy. Nambaran’izy ireo tamin’izany moa fa anisan’ny distrika mendrika ity distrika ity tamin’ny fiatrehana ny fitsapan-kevi-bahoaka notontosaina ny 17 Novambra lasa teo 

Voavaha ihany ny olana niseho noho ny tsy fisian’ny rano fisotro madio teny amin’ny faritr’Ambatomaro. Paompin-drano fisotro madio efatra no haorin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra eny an-toerana nanomboka ny faran’ny herinandro lasa teo raha 17 hafa kosa no hatolotra ny Boriborintany voalohany sy faharoa ary fahefatra sy ny fahadimy. Hiaraha-manatontosa amin’ny UNICEF sy ny Care International ity tetikasa farany. Tsiahivina fa vokatr’io tsy fisian’ny rano fisotro madio io no nampitokona ireo mpianatra Ankatso monina eny an-toerana ny volana novambra lasa teo.
 
Nizara roa nanomboka tamin’ny talata ny lalan’ireo taxi-be mivondrona ao amin’ny zotra D mihazo an’Ivato. Ny antsasany mihazo ny lalana mahazatra toy ny teo aloha ihany raha mihazo ny faritr’Ambohijanahary mipaka hatrany amin’ny Horizon, toby fiantsonan’izy ireo farany kosa ny antsasany. Fanapahan-kevitra noraisin’ny ATT sy ny UTCS izany ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa.
 
Mbola baraingo kosa ny mikasika ireo zotram-pitaterana hafa voatery novana trajet nesorina tao Analakely toy ny zotra 114 sy ny 105. Amin’ity herinandro ity mantsy vao hifarana ny andrana nampanaovin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra azy ireo ka miankina amin’izay no hanomezana lalana hafa azy ireo indray na hitazonana azy amin’izao trajet alehany izao. Ny fidirana ao Behoririka sy ny fitovizan’izy ireo lalana amin’ny zotra hafa aloha hatreto no fantatra fa mbola tena olan’izy ireo.
 
Very hevitra noho ny zava-misy ankehitriny mikasika ny fampidinan’ny fitondrana ny vidim-bary ny ankamaroan’ireo mpivarotra mpamongadiny eny Anosibe. Tsy fantatr’izy ireo intsony mantsy araka ny fanadihadiana natao na ny eny anivon’ny mpamongady toa azy na ny eny anivon’ireo mpivarotra atsinjarany no hampiharana ity vidim-bary vaovao ity. Tsy nisy rahateo ny fanazavana mikasika izay.
 
Hiatrika fiofanana avokoa ireo mpampianatra eo anivon’ny sekoly ambaratonga voalohany sy faharoa any amin’ny distrikan’i Mananara avaratra ny 26 ka hatramin’ny 28 janoary ho avy io. Fiofanana izay eo ambany fanaraha-mason’ny Adjoint pédagogique entina hanatsarana ny voka-panadinana.
 
Dahalo mpandroba sy mpangalatr’omby malaza ratsy any amin’ny faritr’i Beloha Androy iny ary efa nokarohina hatry ny ela i Maloandro. Sendra ny tsy nampoizina anefa izy ka tratra ambodiomby nanolana zazavavy 12 taona ny 10 janoary 2011 tao Tranoroa, manakaiky ny reniranon’i Menarandra. Avy hatrany dia nampandre ny zandary avy ao Beloha ny Fokonolona. Vantany vao nahita ny zandary anefa izy dia nitsoaka, nampitandremana nefa tsy nanohina ilay antso. Nitifitra ny zandary ary maty i Maloandro. Araka ny fantatra dia fianakaviany ihany io zazavavy io.
 
Hotsaraina ao amin’ny tribonaly misahana ny ady maika ny raharaha Antsahamanitra amin’ity anio ity. Ny kianja filalaovana tenisy tsy misokatra efa andro maromaro, ka tsy ahafahan’ireo ankizy ao amin’ny sampana tenisy Antsahamanitra manao fanazarantena no nitarika ny mpikambana ao hitondra ny raharaha teny amin’ny Fitsarana. Efa nidina teny ny vaditany nitondra taratasin’ny fitsarana amin’ny tokony hamohana azy io saingy tsy mety tanteraka ka dia niakatra amin’ny dingana hafa izao ny raharaha.
 
Nidina tany Toliara ny delegasiona tarihin’ny jeneraly Camille Vital, nizaha ifotony ny fahavoazana nateraky ny tondra-drano tao an-toerana izay nahafatesana olona telo, taorian’ny fijojon’ny orana ny alakamisy lasa iny. Nitondra fanampiana toy ny vary sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavan’andro ho an’ireo traboina ihany koa izy ireo tamin’izany.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT