Nitrangana vaky trano tao amin’ny faritry ny Toby miaramila Akademia Antsirabe ny talata 10 febroary 2015 lasa teo ka tranona manamboninahitra iray tao no novakian’andian-jatovo niisa 3 lahy ka zazalahy mbola vao 13 taona monja ny iray tamin’izany
. Raha ny tatitra nentin’ny Liétna lefitra Andriamihaja Raphaël, lehiben’ny Lehiben’ny “Groupe d’Appui a la Police Judiciaire” eo anivon’ny Zandary Antanimenakely dia tokony ho tamin’ny tolakandro tany ho any no namakian’ireo mpamaky trano ity tranon’ny manamboninahitra ity satria tamin’ny 6 ora hariva izy ireo no nanao ny fitsirihana teny an-toerana. Hita tamin’ny fitsirihina fa teo amin’ny varavarankely no nidiran’ireo jioalahy. Rehefa natao ny fizahana dia ireo karazan’entana sarobidy fa mora nentina toy ny solosaina enti-tanana, fakan-tsary nomerika avo lenta niisa 2 sy zavatra madinidinika no netin’ireo jiolahy. Rehefa natao ny fitiliana ireo dian-tanana isan-karazany tao an-trano dia olona telo avy hatrany no nahiahiana ka narahi-maso. Natao ny fanadihadiana ka mbola tratra tany amin’ny sasany tamin’izy ireo ny entana, izay mbola teo am-pitadiavana mpividy. Rangahy lehibe iray kosa no nametrahan’ireo tovolahy ny entana sasany, izay nosamborina niaraka tamin’izy telolahy izay azo heverina fa mpiara-miasa amin’izy ireo ihany. Raha ny fanadihadiana dia nambaran’ity lehiben’ny zandary ity fa mety ho efa noketrehin’ireo tovolahy efa ela ny asa ratsiny satria somary mihataka kely koa ny tranon’ity manamboninahitra ity. Na izany aza dia voaporofo fa somary goragora ny fiambenana ny manodidina ny toby miaramila raha toa ka miatrana am-bava-basy sy hentitra ny fisavana ny eo am-bavahady. Nomarihin’ny zandary moa fa vao avy nanefa sazy tany amin’ny tobin’ny zaza tsy ampy taona ilay tovolahy kely vao 13 taona monja io, kanefa dia manodidina ny 25 taona avokoa ireo namany niara-nangalatra taminy.
Caïus R
Ireo jiolahy namaky tranona manamboninahitra tao Antsirabe
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.