Actualités

Vakansy lehibe Manomboka mihamaro ireo mankany amoron-tsiraka


  • Talata 07 Aogositra 2018

Betsaka ireo efa mandeha mivoaka miala sasatra any amin’ny faritra ankehitriny. Ankoatra an’i Mahajanga dia tena be mpisafidy ihany koa i Toamasina.

 
Raha araka ny fanadihadiana natao teny Ambodivona misy ny koperativa Vatsy dia mahalasa fiara valo isan’andro izy ireo amin’izao ka ny telo amin’ny maraina fa amin’ny hariva kosa ny dimy ambiny. 20.000 Ar ny saran-dalana ho an’ny sprinter ary 18.000 Ar ho an’ny boeing. Misedra olana anefa ireo mpitatitra ankehitriny noho ny haratsian-dalana. Manomboka eo Ankadindramamy dia efa ahitana izany, hoy i Hery mpamily ao amin’ity koperativa iray ity, mitohy any Sambaina Manjakandriana eny hatrany Ambatolaona. Nitombo ho ora folo no hanaovan’ny fiara iray an’Antananarivo sy Toamasina raha ora valo teo aloha. Tena miasa mafy anefa ny saina sao sanatria misy mpangalatra mihanika ny “porte bagage”. Manao antso avo amin’ireo fianakaviana maniry ny hitondra fiara hihazo an’i Toamasina izy handeha taksibrosy ihany. Betsaka mantsy ireo tsy mahalala ny lalan-dratsy sy ny lavaka ka ahiana hitera-doza. Mikasika ny tsy fandriampahalemana indray dia fantatra fa efa milamindamina ny mihazo ny lalam-pirenena faharoa ankehitriny satria tsy misy intsony ireo mpandroba sy mpitoraka fiara ao Brickaville.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT