Mitaky ireo heveriny fa zo sy tombontsoa tokony hositrahany ny mpampianatra, dia rarafana lakrimozenina satria hoe nanao fihetsika nahatezitra ny minisitra Horace Gatien ny takarivan’ny 4 jolay,
ary dia niseho izay fihetsika mamoafady izay ny ampitson’iny. Nambaran’ny minisitera fa hametrahana mpitandro ny filaminana ny sekoly hisakana ny mety ho fanakorontanana, kanefa omaly dia mbola nanamafy ny mpampianatra nitokona teny amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazana Anosy, fa hihamafy ny hetsika amin’ny herinandro na teo aza ny fanambaran’ireo andiana mpampianatra voalaza fa olona notambazana nanao fanambarana fa miato ny fitokonana. Halefa hiambina sekoly amin’izay indray izany ny mpitandro filaminana amin’io herinandro io ? Ny fandriampahalemana anefa vao mainka mirongatra, toy ny resaka fitsaram-bahoaka sy fandrobana tany Betafo, ohatra, dia tsy voasakana tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Tsy voaaro ny fananana amina miliara satria trano 7 no may, fiara 3 no potika,… Ny jiolahy amin’ny andro atoandro mihitsy no manao ny ataony, raha tsy hilaza afatsy ilay fanafihana nahalasana 100 tapitrisa ariary teny Ankorondrano ny atoandron’ny alarobia teo. Ny fakana an-keriny manginy fotsiny,… Fanapahan-kevitra politika sadasada sy mitory fandranitana hatrany no toa raisin’ny fanjakana, izay toe efa miendrika fampiadiana ny vahoaka na madinika na salantsalany na manan-katao, izay samy tsy voaaro fa dia samy miaro ny rambony tsy ho tapaka. Hatao mihitsy ve izay hifandrafian’ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana e ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.