Taorian'ilay tolo-bidy nalefan'ny fanjakana an-gazety mikasika ny fikasany hampitananana tera-tany vahiny ireo seranam-piaramanidina roa lehibe eto amintsika dia ny seranam-piaramanidina Ivato sy any Nosy-be dia naneho ny heviny teo imason'ny mpanao gazety ireo mpiasan'ny ADEMA omaly hariva.
Nambaran'izy ireo tamin'izany fa ny fanomezana ny seranana 44 fanampiny ho solon'ireo roa goavana tadiavina omena tantanan'ny vahiny ireo dia tsy hiteraka voka-tsoa akory. Mbola avy amin'ireo seranana roa goavana ireo mantsy hoy izy ireo no hahafahana mampandeha ireo seranam-piaramanidina folo hafa.Ankoatra izay hoy hatrany izy ireo na dia nisy aza ny krizy dia nisy foana ny “redevances” azo izay tsy nety nasondrotra nanomboka ny faran'ny taona 2001. Toraka izany koa ny saran'ny frêt izay mbola mijanona ho 2 Ar isaky ny kilao hatreto...Manoloana izany dia nanolotra soso-kevitra maro mafy izy ireo toy ny fampiakarana ny “redevances” hahafahana manao foto-drafitrasa. Toraka izany koa ny fametrahana ny « redevances de développement des infrastructures Aéroportuaires » na ny RDAI hamerenana ny vola nindramina tany ivelany. Nandroso ny heviny ny amin'ny tokony hitadiavana mpiara-miomboon'antoka ara-bola ihany koa izy ireo ankoatra ny amin'ny tokony handoavan'ny Air Mad ara-dalàna sy ara-potoana ny vola tokony hefainy aminy orinasa ADEMA.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.