Actualités

UPF Madagascar Miatrika atrikasa iantohana ny fifidianana ireo mpanao gazety


  • Alakamisy 13 Septambra 2018

Ratsy toerana aty Afrika eo amin`ny tomban`ezaka ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara noho ny tsy fisian`ny fiarovana ity asa ity eto amintsika.

 

 

 

 Olana ihany koa ny tsy fahazoana fanamafisana eo amin`ny fahaiza-manao na eo amin`ny asa na resaka karama. Niharatsy izany ary azo itarafana ny fiarahamonina. Amin`ny ankapobeny, ny antsasaky ny vahoaka ihany no hany matoky ity rafitra ity amin`izao fiatrehana fifidianana izao. Maro no tsy matoky ny fanisam-bato, ny kolikoly amin`ny fifidianana ary koa ny filaminana sy ny fandriampahalemana. Antony iray mahasarotra ny asa fanaovan-gazety ny fiandanian`ny orinasan-gazety iasany. Maro ireo gazety sy ny haino aman-jery eo amin`ny firenena iray izay miainga avy amin`ny fahafantarana ny hevitry ny maro samy hafa fijery toy ny antoko politika, fikambanana … Matetika ireo mpanao politika no tompon`izy ireny. Noho izany, manana andraikitra lehibe eo amin’ny fifidianana eto Madagasikara ny mpanao gazety. Eo indrindra no mifandrirotra amin`ny etika sy deontolojia. Raha te hamoaka vaovao marina mantsy, mamahy izany ny baikon`ny lehibe sy ny tondrozotra mamehy an`ilay orinasa. Eo ihany koa, ny fahaleovantenan`ny gazety sy ny haino aman-jery, miampy ny tontolon`ny asa fanaovan-gazety sy ny sivana. Araka izany, manatanteraka atrikasa mandritra ny telo andro ny UPF Madagascar na ny fikambanan`ny mpanao gazety miteny frantsay, nanomboka omaly. Misy ny famelabelaran-kevitra sy loabary an-dasy handinihana lohahevitra maro izay miompana amin`ny fanatanterahana ny asa fanaovan-gazety ao anatin`ny fahamarinana sy ny fanarahan-dalàna.  Andrasana fatratra ny hamoahana tsoa-kevitra iraisana sy hamaritana ny fomba mahomby handrakofana ny fotoam-pifidianana. Nisy mpanao gazety vahiny, toy Jerome Boulle, filohan`ny UPF Maurice,  tonga nanatrika ity atrikasa ity ankoatra ireo mpanao gazety avy eto an-toerana izay nizara ny traikefany ihany koa.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT