Nitrangana hain-trano nahatsiravina indray tetsy 67 ha Atsimo Andrefana ny sabotsy maraina teo. Tsy fantatra mazava, raha ny fanazavan’ny mponina teny amin’ny manodidina, ny tena fiavian'ny afo fa trano hazo iray efa nirehitra no nanaitra ny olona, tokony ho tamin'ny valo ora sy sasany maraina. Noho ny fitsokan'ny rivotra mafy tamin’io andro io, dia nitatra tamina trano hafa ny afo. Vokany, trano fito kila forehitra may ary levon'ny afo daholo ny entana rehetra. Tsy nisy aina nafoy tamin'ity hain-trano ity, raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Tonga ara-potoana ihany koa ny “pompier” na dia nampananosarotra an’ireto farany ny famonoana ny afo noho ny tsy fisian'ny “bouche d’incendie” sy ny fahamaroan’ny olona nitangorona tetsy 67 ha Atsimo Andrefana. Tsy nisy noraisina ny entana rehetra tamin’ireo trano may.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.