Actualités

Tsy namerina vola 3000 Ar Nokapainy famaky ny lohan-drainy


  • Alakamisy 14 Jona 2018

Tovolahy iray vao herotrerony no namono nahafaty ny rainy tany amin’ny kaominina Ambovomavo Marovoay vao tsy ela akory izay.

  Fahasahiana tanteraka ny azy satria nokapainy ny famaky ny lohan’io rainy io, ka maty tsy tra-drano. Tsy fantatra mazava na avy nifoka zava-mahadomelina izy io na tsy dia salama saina loatra na antony hafa mihitsy satria tena mampivarahontsana tanteraka ity zava-doza nafitsony ity. Voalaza moa fa nananany vola 3000 Ar io rainy io, ka tsy mbola nanana hasolo izany, ka dia io nokapainy ny famaky io ny lohany. Voasambotry ny olona ary nofatorana io tovolahy io, izay saika niharan’ny fitsaram-bahoaka. Sesilany tato ho ato ity resaka vono olona mahatsiravina ataona olona akaiky azy ity satria vao tsy ela akory izay no nisian’ilay resaka famonoan’ny vadiny ny vehivavy iray tamin’ny alalan’ny kapoka maritoa in-dimy teo amin’ny lohany teny Behenjy, ary malaza io koa fa nahitana toe-javatra tahaka izany tany Marovoay. Miha mirongatra hatrany ny habibiana tsy roa aman-tany, izay mila fandraisana andraikitra henjana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT