Actualités

Tsy nahaloa hofan-trano Ankizin’ny pazzapa nisy nitory


  • Alakamisy 13 Janoary 2011


Efa eny amin’ny tribonaly ny raharaha amin’izao fotoana izao. Tovovavy iray izay nanana ny naha izy azy teo anivon’ny pazzapa, efa renim-pianakaviana ankehitriny, no notorian’ny tompon-tranony noho ny tsy fandoavany hofan-trano, efa ho herintaona mahery izay. Zara raha nipetraka dimy volana tao amin’ity trano tao Ambohitrarahaba io mpihira io dia niala ary tsy nampahafantatra ny tompon-trano akory, mbola navelany tao rahateo ny entany.

Tsy nandoa ny tokony haloany mihitsy izy ary tsy nipoitra tao an-tranony rahateo. Vokatr’izany dia nampiakatra ny raharaha eny amin’ny fitsarana ny tompon-trano. Ny olana anefa dia novakian’ny olon-dratsy tao ilay trano afak’omaly alina ary lasa tao avokoa ny entany. Mbola tantara hafa koa ity vaky trano ity... 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT