Samy vavolombelona ny mponina eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina tahaka ny eny Ambohibao, Ivato, Itaosy, Ampitatafika, Andoharanofotsy,
Alasora, Sabotsy Namehana fa miha mafy indray ny delestazy efa ho herinandro izao. 2 ora ka hatramin’ny 5 ora ny fahatapahana ary tsikaritra fa mifandimby tapaka mihitsy ny isam-paritra. Mikorontana ny asa fitadiavana ho an’ireo mpivarotra mampiasa vata fampangatsiahana, ny mpanao volo, ny mpivarotra trondro, ny mpanao soudure. Ireo izay mampiasa ordinatera moa dia efa very adiny roa isan’andro farafahakeliny.
Tsy maintsy misy akony ratsy amin’ny famokarana izany ary lasa fatiantoka ho an’ny orinasa. Nilaza ny teknisianina iray ao amin’ny Jirama raha nanontaniana omaly tolakandro fa mbola hihamafy aza io delestazy io satria miha ritra ny rano ka tsy ampy ny tosika amin’ny famorakana herinaratra any Andekaleka. Lafo koa anefa ny vidin-tsolika ka matetika manana olana amin’ny famatsiana ireo gropy mamokatra herinaratra. Tena tsy misy ny vahaolana hatreto raha ny avy any amin’ny fanjakana sy ny Jirama, ny fampiakarana ny saran’ny jiro sy rano indray aza no mbola irosoana. Mahagaga fa nangina tsy re feo intsony ny momba ilay orinasa Symbion power nambara fa hamokatra herinaratra. Nofy ratsy ho an’ny filoha Rajaonarimampianina ity resaka delestazy ity satria izy no nilokaloka fa 3 volana io dia voalamina. Telo taona latsaka kely izay no lasa vao miha mahery vaika ny delestazy. Tsy miala bala sanatria izahay, hoy ny tompon’andraikitra iray avy ao amin’ny Jirama fa efa tena tsy miankina aminay intsony io delestazy io. Ny herinaratra vokarina mihitsy no tsy ampy, antitra ny fitaovana, orinasa vahiny avokoa no mamatsy solika sy tompon’ireo gropy lehibe mamokatra herinaratra ka misy fotoana tena manao izay tiany izy ireo ary tsy te hahalala fa raha vao tara ny fandoavam-bola dia ajanon’izy ireo ny milina. Efa tena manomboka mimenomenona ny mpanjifa ka tokony hihetsika hikaroka vahaolana ny mpitondra fa ahiana hiitatra any amin’ny zavatra hafa ity resaka delestazy ity.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.