Actualités

Tsy filaminana Jiolahy efa-dahy naka an-keriny Sinoa


  • Zoma 25 Aprily 2014


 Ny Alarobia 23 aprily tolakandro tokony ho tamin’ny 5ora hariva teo dia nisy naka an-keriny tao  Toamasina tampon-tanàna ny teratany sinoa manana zom-pirenena Malagasy Atoa Ming-Tu Yhek-Ming Wing Kwo, tompon’ny orinasa fanamboarana mofo “pain doré” ao Ambolomadinika. Jiolahy efa-dahy nirongo basy niisa telo no naka an-keriny azy tao Mangarano II. Nitondra fiara R-19 ireto mpanafika. “Nanome toky ny Emmo-Reg fa ao anatin’ny fotoana fohy dia tsy maintsy ahitana vokatra ny fikarohana atao noho ireo “vaovao” efa azon’izy ireo. Ity no tranga fakana an-keriny voalohany tao Toamasina tamin’ity taona ity raha dimy no niseho ny taona lasa. Saika sinoa sy karana avokoa ireo niharan’izany, ary vola an’arivon’ny tapitrisa Ariary no lasan’ireo mpaka an-keriny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT