Manararaotra toy ny banga mihomehy alina ny jiolahy manoloana ny fitokonana lavareny ataon’ny mpiraki-draharahan’ny Fitsarana sy ny mpandraharahan’ny Fonja
. Raha efa manomboka mivaha miandalana ny fitakian’ireto farany, dia mbola mikatso ny fandehan’ny raharaham-pitsarana amin’ny ankapobeny, saika manerana ny Nosy mihitsy. Efa herinandro teo izay no tsy tanteraka ny fitondrana olona vita fanadihadiana eny anivon’ny mpitandro ny filaminana ka tokony hatolotra ny Fitsarana, toy ireo mpanao « kidnapping » tratra tao Antsirabe. Vokany, feno hipoka ny « violon », ny fe-potoana voatondron’ny lalàna tokony hitazonana ny olon-dratsy eny anivon’ny mpitandro ny filaminana anefa efa dila. Mety ireo jiolahy tena atahorana sisa no hotazonina eny amin’ny « violon » raha mitohy izao fitokonan’ny mpiraki-draharahan’ny Fitsarana izao, ary dia hanao izay danin’ny kibony eny anivon’ny fiarahamonina ireo jiolahy. Ny mpiara-belona ihany no mifafa ny kihony e !
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.