Tsy fahatomombanan’ny angovo

Ahiana ny fipoahana ara-tsosialy sy politika


  • Alakamisy 05 Jona 2025

Na dia hita ho toy ny lasa «fanalàna», araka ny fitenin’ny tanora,

na hoe vazivazy matetika eny amin’ny tambazotran-tserasera aza amin’izao fotoana izao ny afitsoky ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy amin’ity fahatapahan’ny herinaratra lavareny na delestazy sy fahatapahan-drano tafahoatra ity dia tsikaritra hatrany ho mifono fahasorenana avy amin’ireo olompirenena sy mpiasa na sehatra samihafa hatramin’ny mpanao politika, indrindra, ivelan’ny fitondràna ihany izany olan’ny angovo misongadina indrindra eto amin’ny firenena ankehitriny izany. Toy ny menaka manasy na hoe «tache d’huile» ankehitriny ny hetsika etsy sy eroa miaraka amin’ny fandoroana kodiarana afovoan’arabe eto Antananarivo sy ny manodidina ho fanehoana ny tsy fahafalian’ireo mponina manoloana izany. Tanjombato, 67ha, Ambatomaro, Itaosy, saika ahitàna fifandimbiasan’izany avokoa tato ho ato ireo boriboritany miisa 6 eto an-drenivohitra sy ireo kaominina manodidina anatin’ny faritra Analamanga. Ny any amin’ny faritany moa tsy lazaina intsony. Manampy trotraka koa ity vidin-tsolika tsy mety mari-toerana sy miaka-midina lava ity nefa tokony efa ela no nidina raha mijery ny fidinan’ny vidin’izany eo amin’ny sehatra iraisampirenena. Nitodi-damosina ara-bakiteny moa iny ny minisitry ny angovo rehefa nanontaniana ny fanazavàna azony omena manoloana ny zava-misy. Etsy ankilan’izany rehetra izany dia mifandimby milaza ny fanahiany ny amin’ny mety hahatongavan’ny tranga rehetra ho an’ny amin’ny fipoahana avokoa na fiarahamonim-pirenena na mpanao politika hatramin’ny olompirenena tsotra, izany hoe, ahiana ny fipoahana ara-tsosialy sy politika manoloana ity tsy fahatomombanan’ny angovo eto Madagasikara ity, raha ireo fanehoan-kevitra hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT