Rehefa tena nodinihana lalina ny zava-misy eto Madagasikara dia hita fa misimisy ihany ny tsy manaraka ny lojika sy tsy mandeha araka ny tokony ho izy.
Miainga any amin’ny rafitra farany ambany sy heverina fa mora ka hatrany amin’ny faratampony, dia toa misy zavatra hafahafa kely foana mitranga. Amin’ny fitaterana sy ny fifamoivoizana izao, ohatra, dia natao haingony eny amin’ny sisin-dalana fotsiny ireo karazana takelaby, fa amin’ny ankapobeny dia maro be ny mpamily efa tsy manaja intsony ny lalàn’ny fifamoivoizana eto.
Eo amin’ny resaka fitateram-bahoaka indray dia mampimenomenona isan’andro ny mpanjifa fa dia tsy misy intsony ny fifanajana, manao izay tiany ny mpamily sy ny resevera. Ny mahagaga dia mitazam-potsiny ireo karazana fandikan-dalàna ireo ny polisy, ary rehefa mba hoe miasa tsara mampihatra ny lalàna indray izy ireo, dia miala any ny kolikoly ary dia indrisy fa resin’ny fakam-panahy ry M’se polisy. Raha any amin’ireo biraom-panjakana fikarakarana taratasy indray dia eo aloha ny tsy fanajan’ireo mpiasam-birao ny ora fiasana, fa mbola mahazo vahana koa eny ny kolikoly, misy foana ilay hoe mba mametraha kely e ! Efa tsy mampiraika ny olona intsony ankehitriny ny manipy fako etsy sy eroa, eny an-dalambe rehetra eny, na dia efa misy aza ny lava-pako sy dabam-pako natokana ho amin’izany. Izao dia ny filohan’ny tetezamita avy eto Madagasikara irery no manatrika fivoriana ofisialy ka mitondra manamboninahitra jeneraly telo miaraka aminy.
F’angaha tany miady na avy niady ny eto e ? Raha resaka ambony latabatra sy fandresen-dahatra no atao, maro be ny manampahaizana sy diplaomaty afaka manao izany eto, fa dia ireo manamboninahitra ambony tena akaiky azy, ihany no nentin’i Andry Rajoelina. Remenabila anefa manohy ny asan-dahalo mahazatra azy, any atsimo tsy hita izay ataon’ireo be galona ireo, hatramin’izao tsy fantatra izay toerana tena misy marina io dahalo raindahiny io. Ankoatra izay dia re koa fa nisy jeneraly iray mitana toerana ambony, nifamaly taman’olona tao amina toeram-pisotroana iray, tany atsimo tany, vao tsy ela akory izay. Tsy mety milamina ny tany, satria mety ilay fampiasana ny rafitra misy mihitsy, no tsy milamina sy tsy araka ny tokony ho izy e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.