Fomba fiasa nahafantarana ny tetezamitan'i Andry Rajoelina ny fampitahorana sy fanaovana ramatahora.
Tsy miova fa mbola mitohy ihany izany hatramin'izao. Ireo minisitra 5 avy amin'ny ankolafy Ravalomanana, nisintaka indray izao no iharan'izany. Ambara fa tsy manam-pahefana intsony izy ireo no sady tsy manankery intsony ny soniany. Fanapahan-kevitra avy any amin'ny filankevitry ny minisitra moa izy io, saingy araka ny tsiliantsofina re dia tsy mbola nety nanatanteraka sy nanamarina io didy io ny praiminisitra Omer Beriziky. Omaly ihany koa dia mbola tazana teny amin'ny toeram-piasany tsirairay avy ireo minisitra avy amin'ny ankolafy Ravalomanana. Izy ireo moa dia efa nilaza fa misy antony lehibe matoa tsy nanatrika ny fivorian'ny filankevitry ny governemanta sy ny minisitra.
Takian'izy ireo ny fanajana sy fampiharana ny tondrozotra ka tafiditra ao anatin'izany ny famelana an'Atoa Marc Ravalomanana hody an-kalalahana eto Madagasikara. Manao be marenina amin'io resaka io anefa ny filohan'ny tetezamita sy ireo mpiara-dia aminy ka izay no mahatonga ny tady mihenjan-droa. Ny praiminisitra Beriziky moa dia efa nilaza ihany fa tsy hisy ny fanoloana mpikambana ao amin'ny governemanta izany ; Atoa Andry Rajoelina kosa dia efa nanambara fa tsy maintsy hisy ny fepetra horaisina ary hisy koa ny sazy. Dia mbola mitsingevaheva izany ity resaka ity hatreto, fa tsy hita izay tena marina.
Raha toa moa tena manapa-kevitra ny handroaka ireo minisitra avy amin'ny ankolafy Ravalomanana ny filohan'ny tetezamita dia azo adika ho fanitsakitsahana avy hatrany ny tondrozotra izany, ary hisy akony eo amin'ny famahana ny krizy. Mbola azo atao tsara ny miresaka, ka mikaroka ny vahaolana sy ny marimaritra iraisana, saingy efa iaraha-mahalala ihany moa Atoa Andry Nirina Rajoelina fa anisan'ny olona tsy mahalala afa-tsy ny heviny, ka ny hevitry ny hafa dia tsy mety sy tsy azony ekena, araka ny fomba fijeriny. Na ahoana na ahoana anefa dia hery politika sarotra ailika amin'ny famahana ny krizy sy fitantanana ny tetezamita, ny ankolafy Ravalomanana ka ho hita eo indray ny ho tohin'ity raharaha ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.