Actualités

Tsy aritra Avy aiza marina ny vola be ampiasain’ny FAT ?


  • Alakamisy 23 Desambra 2010

Anisan’ny fomba fitenin’ireo tompon’andraikitra maro samihafa ao amin’ny fitondrana tetezamita amin’izao fotoana ny hoe : tsy misy hatahoran’ny fonksionera fa misy ny vola handoavana ny karaman’izy ireo, ary ampy ihany koa ny hoenti-manana eo am-pelatanan’ny fanjakana hiodinany sy hiasany na dia misy ihany aza ny fihafiana tsy maintsy atao.

 Tsy hoe fampandriana adrisa izany fa tena marina. Ny mahalasa ny eritreritry ny olona dia ny hoe : fa vola avy aiza marina no ampiasain’ny FAT ? Hita mantsy fa tsy mihafihafy izany ny mpitondra fa migalabona amin’ny fiara tsara sy mirenty, ny karama moa dia tsy misy latsaky ny 1 tapitrisa ariary ho an’ireo manampahefana tahaka ny hoe ministra, mpikambana ao amin’ny CT sy ny CST. Atoa Andry Rajoelina mitety faritra isaky ny faran’ny herinandro ary tsy misalasala manambara etsy sy eroa fa hanamboatra kianja sy hopitaly ary zavatra maro hafa. Ny Tsena Mora mihodina ihany ary mitombo indray aza ny entana amidy amin’ny vidin’ny mora amin’izy ireny no sady efa mitatra tsikelikely any amin’ny faritra ilay tetikasa. Tsy mandeha amin’ny rano izany rehetra izany fa mila vola.

Ny famatsiam-bola avy any ivelany anefa tapaka, ankoatra ny mahakasika ny fiahiana ny lafiny maha olona tahaka ny vola ampiasaina amin’ny fiahiana ara-tsakafo sy ny fampidirana rano fisotro madio ary ireo tetikasa momba ny fitsaboana ny reny sy ny zaza latsaky ny 5 taona. Ny tahan’ny fampidiran-ketra eto amintsika anefa dia nitotongana ambany dia ambany nanomboka tamin’ny 2009 noho ny fisian’ny krizy, nihena be mihitsy mantsy ny mpandoa hetra, satria maro no very asa ary an-jatony ny orinasa nikatona. Isaky ny tonga ny fety mbola mandany vola am-polony miliara ariary ny fitondrana tetezamita, manginy fotsiny ireo vola be mivezivezy eo amin’ny tontolo politika sy any amin’ny foloalindahy. Araka ny tsiliantsofina re ary dia fantatra fa mahatoky ny fifandraisany sy ny fiaraha-miasany amin’ireo orinasa goavana mitrandraka harena ankibon’ny tany eto amintsika ny fitondrana tetezamita, satria matevintevina ihany ny vola (hetra) azon’ny fanjakana Malagasy avy amin’izy ireo.

Ny Sinoa ihany koa dia iny efa niaraha-nahalala iny fa nandrotsaka 100 tapitrisa dôlara noho ilay fitrandrahana vy ao Soalala, ary raha ny fahafantarana azy aza, dia isan-taona fa tsy hoe tamin’ity 2010 ity ihany no mandrotsaka io vola be 100 tapitrisa dolara io amin’ny fanjakana Malagasy ny Sinoa ; ary mbola volabe ihany koa no arotsaky ny sinoa amin’ny fanjakana noho ilay fitrandrahana solika ao Sakaraha. Ankoatr’ireo anefa dia azo antoka fa mbola manana mpanohana ara-bola matanjaka eto an-toerana sy avy any ivelany i Andry Rajoelina sy ny tetezamita tarihany, tsy mbola nivadika taminy hatramin’izao aloha ny Karana sy ny Frantsay ; ny volan’ny «bois de rose» koa tsy mbola mazava mihitsy hoe avy aiza dia mankaiza, ampiasain’ny fanjakana ve sa ampiasain’ny mpitondra fanjakana ho azy manokana ? Rehefa atao ny kajikajy dia hita fa na tsy mahazo fanampiana avy any ivelany aza ny FAT dia manam-bola ary afaka miatrika ny zava-drehetra, ary tsy resa-bola mihitsy ho handresena na hampihorohoroana azy. Ny mampanahy amin’ity resaka ity anefa dia sao ny tanindrazana no ataon’ny FAT antoka amin’izay vola alainy etsy sy eroa ka hanjavona tsikelikely eto ny harem-pirenena na ambonin’ny tany io na ambanin’ny tany na any an-dranomasina.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT