Actualités

Tsy arakaraky ny teknôlôjia Akepoky ny BFV SG ny volan’ny mpanjifany


  • Alarobia 05 Janoary 2011

Velon-taraina ny mpanjifan’ny BFV SG noho ny fanaovan’ity banky ity tsinontsinona azy ireo rehefa mitaraina noho ny fahavoazany vokatry ny lesoky ny fomba fiasan’io banky io ihany.

Araka ny fitatantaran’ny olona iray voa mafy nampiasa ireny karatra fakana vola ireny, tetsy Ambatomena dia tsy rariny intsony ny fitavozavozan’ity banky iray mba noheverina ho isan’ny goavana ity. Raha naka vola mantsy io mpanjifa io, folo andro mahery talohan’ny krisimasy, andro fety izay nilany vola tokoa dia nahitsoky ny masinina ny vola nefa ny rosia milaza fa efa nivoaka io vola io. Ny tena mahasorena ireo mpanjifa dia ela loatra ny fomba fiasa sy famahana olana izay mitarazoka efa ho iray volana ary mihitsoka any fotsiny ny volan’io mpanjifa io.

Noho ny filana dia niverina nanantona io banky voalaza io indray ny mpitaraina ary tsy mbola misy valiny fa vao maika avezivezy, asaina manantona ny foibe misy ny kaontiny teny Ampefiloha ary ny teny indray nanilika fa ny foibe nitrangan’ny fahadisoana no tokony mamaha ny olana izay “tokony ho vita ao anatin’ny roa andro raha ela” araka ny fanamarihan’ny teny Ampefiloha. Toy izany mihitsy ve ny fomba fiasa, izao dia hasaina miandry indray io mpanjifa io fa hoe hilazana rehefa misy vahaolana. “Ny aza voany ihany”, tsy arakaraky ny teknolojia avo lenta ampiasain’ity banky ity.

Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT