Olona 6 nahitana ramatoabe iray sy ankizy avy nianatra sy mpanao “taxi-phone” ary olon-tsotra hafa no voatery naiditra hopitaly teny amin’ny HJRA Ampefiloha omaly manodidina ny tamin’ny 3 ora tolakandro satria dia notsindromina tovolahy iray antsy teny an-tanany avokoa.
Araka ny fitantaran’ny nahita maso teny an-toerana dia novonjen’ity tovolahy mbola tena erotrerony ity izay tsy fantatra mazava na adala na mamon-drongony fotsiny izao noraisina an-keriny teny amin’ny mpivarotra “mortadelle” sy “cervelas” iray mandehandeha ireny ny antsy fampiasan’ity farany ka nanindronany tsy nisy indrafo izay rehetra nifanena taminy. Mazava loatra fa ilay tovolahy mpivarotra no lasibatra voalohany miampy ireo dimy hafa ka ilay ramatoabe efa mananika ny faha-70 taonany no tena voa mafy indrindra fa niditra teo amin’ny takibany ny lelan’antsy ary tafavoaka tany an-damosiny mihitsy. Efa natolotry ny Fokontany teny an-toerana ny polisin’ny “7è Arrondissement” moa ity tovolahy ity rehefa avy nolakolakoin’ny mponina nentin-katezerana mafy tokoa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.