Hatairana ny an’ny mpandalo nahita zavatra nivono tao anaty harona plastika mainty, tsy lavitra ny tsangambaton’i Jean Ralaimongo eo Tsianolondroa Fianarantsoa omaly alahady 11 mey. Rehefa nosokafana dia nisy zavatra nifono lamba mihoson-dra no nisy nanary teo. Zaza efa hary tongotra aman-tanana tokony ho teraka no tao miaraka amin’ny tadim-poitra. Misokatra ny fanadihadiana hikarohana ny tompon’antoka amin’izao raharaha izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.