Actualités

Tsenan’ny asa eto Madagasikara Tsy maharaka ny fahamaroan’ireo mahazo diplaoma


  • Zoma 06 Jolay 2018

Nahatratra 1247 ny orinasa nitsangana tamin’ny taona 2017 saingy vitsy hatrany ny mpiasa raisina. 10 ka hatramin’ny 20 eo no raisin’ireny orinasa madinika sy salantsalany ireny.

 

 Ana hetsiny maro anefa ny tanora mahazo filazam-pahaizana (diplôme) avoakan’ny sekoly fampianarana etsy sy eroa. Raha mandray kajy ambony dia mpiasa miisa 25 000 no voaray tamin’ireo orinasa nitsangana ireo. Mazava ho azy fa tsy maharaka ny tinadin’ny asa ny tolotra misy ka izay no mampidangana be ny isan’ireo tsy an’asa. Etsy an-daniny, tsy misy mihitsy ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana ny amin’ny politika fampananana asa eto Madagasikara. Mahagaga fa ny orinasa Malagasy manome asa maro ny mpiray tanindrazana tahaka an’ny vondrona Tiko aza nokendaina sy nopotehina hatramin’ny farany. Mifanohitra tanteraka amin’ny zava-mitranga any amin’ny firenena mandroso izany. Ohatra tamin’ireny ny olana nisy tamin’ny orinasa kely iray manamboatra sambo tany Frantsa izay tojo fahasahiranana. Nampiasa olona manodidina ny 1000 teo izy ary nisy ny krizy tamin’ny orinasa. Nanao izay ho afany ary nitady fanampiana sy famatsiam-bola hatrany anefa ny filoha Frantsay ary voavaha ny olana taty afara. Miezaka hatrany ny olona sy ny firenena mandroso miaro ny orinasa sy ny asa efa misy fa ny eto mainka famotehana no atao. Ilay toe-tsaina ory hava-manana no antony, hany ka sahy manaotao foana manimba hatrany amin’ny fidiram-bolan’ny Malagasy iray firenena. Mila fahatongavan-tsaina sy fandraisan’andraikitra amin’ny tanora indrindra indrindra ny fiarovana ny orinasa Malagasy ary ambonin’izany mila mamorona  orinasa Malagasy lehibe sy manana ny mahaizy azy tahaka ireny nopotehin’ny mpanongam-panjakana  ireny.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT