Tsy mikely soroka amin’ny asa fanadiovana sy fandaminana ny tanàna ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA).
Ho an’ny eo anivon’ny Boriborintany fahadimy, dia nisy ny asa fanadiovana faobe teny amin’ny tsenan’Ambohidahy Ankadindramamy omaly alarobia 25 jolay 2018. Nitarika ny hetsika ny delegen’ny Boriborintany Atoa Rakoto Emmanuel Richard. Ny tanjona dia tsena madio sy milamina araka ny toromariky ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana. Nosokirina ny tatatra, nofafana ny lalana ary nisy fanondrahana fanafody famonoana bibikely sy ireo otrikaretina maro nandritra ity hetsika ity. Niara-nisalahy tamin’izany moa ireo ekipa teknika, mpamafa lalana ary ireo mpivarotra. Tsy mitsahatra fa mitohy isan’andro ny asa fanadiovana ataon’ny avy eo anivon’ny boriborintany fahadimy, ary manentana ny rehetra hatrany mba hitandro ny fahadiovana ny fiadidian’ny tanàna.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.