Actualités

Tsenan’i 67 ha akaikin’ny Havana Mbola tsy voaloa ny volan’ireo orinasa nanao azy


  • Talata 11 Janoary 2011

Anisan’ireo tsena eto Iarivo namboarina manokana tamin’ireny andron’ny Lalaon’ny Nosy ny taona 2007 ireny ny etsy amin’ny 67 ha akaikin’ny Havana.

Anisan’ireo foto-drafitrasa natsangana tamin’ny fotoana nitantanan’ny Pds Hery Rafalimanana ny tanàna saingy noho ny antony ara-pôlitika niseho teto amin’ny firenena dia tsy voatokana sy tsy nampiasaina mihitsy fa mbola nisy ampahany tsy vita hatramin’ny farany. Nihahaka teo ary efa saika nisy nanimba aza ny fefin’ity tsena ity, soa ihany anefa fa talaky maso tsara ka sarotra ho an’ny mpisotasota ny tena nanao an-kasomparany teo. Taty amin’ny faramparan’ny taona 2010 vao hita ho nisy mpivarotra naiditra ao amin’ity tsena ity. Mazava loatra fa mandoa haba tsena ara-dalàna izy ireo na mbola somary vitsivitsy aza.

Misy trano fivoahana manara-penitra ihany koa ao anatin’ity tsena ity. Araka ny loharanom-baovao azo dia orinasa telo no niara-niombon’antoka nanangana ity tsena ity tamin’ny fotoan’androny. Izy ireo anefa dia samy velon-taraina fa tsy mbola voaloa amin’ny an-tsakany sy an-davany ny tambin-kasasaran’izy ireo. Tolo-barotra ara-dalàna no nahazoana ny asa, hoy izy ireo ka tsy tokony hisy olana ny amin’ny fandraharahana ara-taratasy fitohizan-draharaha rehefa misy fifandimbiasam-pitantanana. Mbola mitoetra eto amintsika mandraka ankehitriny anefa raha ny zava-misy marina ilay fitenenana hoe : “miova Andriana miova sata”. 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT