Actualités

Tsaratanana Mpitrandraka volamena 8 maty nihotsahan’ny tany


  • Talata 29 Aprily 2014


 Zava-doza no niseho tany Maromadinika, Kaominina ambanivohitra Betsapaiky any Tsaratanana ny zoma lasa teo. Mpitrandraka volamena 8 no maty nihotsahan’ny tany. 11 mianaka izy ireo no nitrandraka tamin’io toerana io. Samy afaka nitsoaka avokoa izy ireo tamin’ny fihotsahana voalohany saingy lasan’ny tany kosa ny 8 tamin’ny fihotsahana faharoa izay niseho tamin’ny faritra nifanila teo ihany. Adiny 4 be izao no nanesoran’ny Fokonolona ny tany nanindry azy ireo saingy efa tsy nisy aina intsony izy valo rehefa tafakatra ny vatany. Marihina fa mpivady ny 6 amin’ireo ary ankizy zanaky ny mpivady iray amin’ireo kosa ny namoy ny ainy fahafito. Ny sabotsy no nanatanteraka ny famangiana ny mpitondra ao Tsaratanana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT