Actualités

Tsaratanana Amidy an-tsena hatramin’ny basy kalachnikov


  • Alatsinainy 02 Jona 2014

Tao anatin’ny dimy taona, mahatsapa ny mponina any amin’ny Distrikan’i Tsaratanana, fa miparitaka ny basy. Vokany, mandry tsy lavo loha ny vahoaka noho ny horohoro, hoy ny fampitam-baovao mari-pototra voaray.

 Amin’izao, raha ny fanazavana azo, dia hita eny rehetra eny ny basy, manomboka amin’ny vita gasy «basy karetsaka» ka hatramin’ny kalachnikov izay entin’ireo mpivarotra izany mihitsy mitety Kaominina sy Fokontany mba hamidy. Izay manam-bola dia afaka mividy, toy ireny mividy entana eny an-tsena ireny. Noho ny firongatry ny tsy fandriampahalemana any an-toerana, dia mihamahantra ny ankamaroan’ny mponina, nefa ity Distrika saro-dalana ity manankarena harena an-kibon’ny tany maro, toy ny volamena, vatosoa, kraoma, sns.

Mihorohoro ny vahoaka, naverina ny Dina

 Ankehitriny, napetraka indray ny «Dina isam-paritra» ifampifehezan’ny samy ao Betsiboka rehefa tsy nahomby noho ny firongatry ny asan-dahalo sy ny asa ratsy isan-karazany, ny «Dina tsy mandefitra» sy ny «Tsy minday mody». Nandray andraikitra ny tantsaha mpiompy omby sy ireo mpandraharaha mikirakira volamena ary ny mponina any an-toerana hiaro ny fahapotehan’ny fananany, ka nametraka ity «Dina isam-paritra» izay heverina hampandriana fahalemana indray ny tanàna. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT