Actualités

«Trondro simba» Hamaivanin’ny FAT nefa loza manambana


  • Zoma 28 Janoary 2011


Tetsy Ampefiloha sy Anosizato indray omaly no niparitaka ireo trondron-dranomasina maimbo sy simba. Nandritry ny fisafoana nataon’ny polisy, manodidina ny tamin’ny iray ora maraina tany, no nahenoan’ izy ireo fofona hafahafa. Narahina izany ary niafara tao amin’ny daban-jaoridira tao anatin’ny tsenan’Anosizato. Trondro efa simba sy efa mivoaka olitra no hita tao. Mitovy tanteraka tamin’ireo hita tetsy Andohatapenaka, telo andro lasa izay. Voatery nandray andraikitra avy hatrany ny polisy sy ny mpiambina ny tsena mba handrarana ireo olona izay efa noana ka saika haka hitatitra ireo trondro mba hatao laoka na koa hamidy.

Ny BMH no naka izany tao an-toerana ka nitatitra teny amin’ny tany malalaka iray teny Andohatapenaka. Tsy mbola vita akory izany dia efa nisy nampandre indray fa nisy tranga nitovy tanteraka tamin’izany teny Ampefiloha. Mbola tao anaty daban-jaoridira ihany koa no nisy ireo trondro maimbo. Nampiarahina notaterina tamin’ireo namany hafa ireo trondro dia nodorana teny Andohatapenaka. Hatreto dia tsy hita mazava izay tena niavian’ireo trondro na koa ny tompon’andraikitra amin’izany. Ny tena mahatalanjona aza dia toa hamaivanin’ny FAT ny zava-misy izay loza manambana ho an’ny mponin’Antananarivo izay efa noana...

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT