Actualités

Tratran’ny sipany nampiaraka Tovovavy naratra mafy vaky loha, voavely tavoahangy


  • Zoma 18 Aprily 2014


 Tovovavy iray no vaky loha naratra mafy novelesin’ny sipany tamin’ny tavoahangina coca-cola kely teny an-tanany, afak'omaly tany Toliara. Raha ny fanazavana dia avy niasa ilay tovolahy tamin'io no nahatratra ilay sipany nifamihana sy nifanoroka tamina lehilahy hafa. Tsy nahatsindry fo ny anao lahy nahatsiaro voafitaka ka niakatr’afo ary namely ny olon-tiany tamin’ny tavoahangy teny an-tanany. Vaky ra ilay tovovavy, lasa nitsoaka nanavotr’aina kosa ilay bandy nampiaraka taminy. Efa ela no nandeha ny feo fa mampirafy ilay sipa, ary misy mahita hatrany izy mampiaraka amin'io bandy io, nefa tsy nino izany ilay tovolahy nampirafesina vontom-pitia. Hay tamin’io andro io, nitranga ny nafenina hatrizay. Mpamosavy mandeha alina aza misy mahita !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT