Samy gaga ireo rehetra nandalo teo amin’ny biraon’ny faritra Alaotra-Mangoro raha nahita olona niasa manamboatra ilay trano vao notokanana tsy ela akory izay.
Nambaran’ny lehiben’ny faritra fa fotodrafitrasa ho amin’ny fisandratana. Niesona hatramin’ny fitondram-panjakana foibe izay notarihan’ny filoha ny antenimieran-doholona Rivo Rakotovao tamin’ny fitokanana ilay fotodrafitrasa. Zavatra kitoatoa tahak’izao ve zany no hiaingana ilay fisandratana. Tsy misy lamina mazava fa tandrametaka sy tsy manaraka ny fenitra maha trano azy. Tsaroana etoana ireo tranon’ny “Analogue”, izay nihazakazahana fotsiny ny fanaovana izany fa tsy voadinika mialoha ny mety ho sarany sy ireo mety afaka hisitraka izany. Ankehitriny ny kadradraka sy ireo fianakavian’ny lehiben’ny faritra no migalabona amin’ny trano. Ny sasany ary efa manomboka misy fahasimbana. Mampanahy be ny ihany arak’izany ny mety ho fahatezahana ity Tranoben’ny tangorona ity.
Niry A
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.