Zazarano enin-bolana an-kibo no nisy nanary tao anatin’ny fanariam-pako omaly talata maraina tao amin’ny Fokontany Mangarivotra Antsahavaky.
Olona sendra nitsimpona fako no nahatsikaritra io razana io tao anatin’ny harona «sachet» ka nampandre ireo olona mipetraka teo akaiky teo. Nandritra ny fizahana nataon’ny mpitsabo avy amin’ny BMH dia voaporofo fa efa zaza miandry fivoahana tsy ho ela io narian-dreniny io ary efa feno ny maha olombelona azy, lahy kely. Karohina ankehitriny ny reny nahavita nanary ny zanany io. Ireo miaramila izay mipetraka eny an-toerana no nandray an-tanana ny fandevenana ilay razana kely.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.