Actualités

Trangam-piarahamonina


  • Talata 22 Aprily 2014

Ifaninanana ny hanambady vazaha, tafaroboka hatramin’ny pelaka

 Tamin’ny herinandro teo, tovovavy malagasy iray 23 taona monina ao Toliara, te hanambady vazaha sy te ho any andafy no very volabe voafitaky ny mpimasy. Lasa ny vola vidin-tany nefa ny vazaha nantenaina ho vady lasan’ny tovovavy hafa. Rava ny nofinofy ary saika nanaraka hatramin’ny aina noho ny famoizam-po. Betsaka ihany izay voafitaky ny dadarabe sy mpanao vintana nandraikiraiky fanina diso fanantenana ka mamoy fo izay, nefa dia mitombo isa saika isan’andro mandany vola ireo mikasa hanambady vazaha.

Tsy vehivavy ihany fa tafaroboka hatramin’ny ny lehilahy, ka anisan’ny antony iray nampirongatra ny pelaka tao anatin’ny taona vitsy. Ny vehivavy efa manambady sy efa lehibe anaka aza misy ny misara-bady manaraka ireny vahiny ireny. Lasa lamaody ao Toliara amin’izao ny vadim-bazaha manana «quad». Tafaroboka amin’ity fifaninanana hafa kely ity hatramin’ny zaza tsy ampy taona teren’ny fahantrana, fitiavam-bola sy rendrarendra ary lamaody ka mampirongatra ny fivarotantena.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT