Trangam-piarahamonina hafa kely ity. Izy mivady no niady ka ny zaza tsy manan-tsiny no naratra tsy fidiny voadaroka.
Io no nitranga tamina tokantrano iray tao Tsimenatse Toliara, ny alatsinainy 19 mey teo. Matetika miady ireto mpivady ireto, satria tsy zakan’ity renim-pianakaviana ity intsony ny toetran-drangahy mamolava tsy mampidi-bola ka nandrahona hisintaka ramatoa. Tezitra rangahy ka ny zanany lahy kely 7 taona no nanamparany ny hatezerany. Vokatry ny daka sy vono, naratra ilaikely. Raha tsy noraran-dramatoa vadiny nifona fa hijanona indray izy dia saika loza no nitranga, hoy ny fanazavana azo nandritra ny angom-baovao. Vokatry ny krizim-piainana misy amin’izao, maro ny olona no manaotao foana izay tsy misaina akory ny mety ho vokatry ny hadalany na ny tsy fitandremany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.