Mampitovy fomba fijery ny SAMIFIN, sampandraharaha misahana ny ady amin’ny famotsiam-bola sy ireo departemanta isan-tsokajiny momba ny fitsarana sy ny fitantanam-bola izay mpiara-miasa aminy akaiky.
Misy indrindra mandritra ny roa andro ny atrikasa iarahan’ny SAMIFIN amin’ireo filohan’ny Fitsarana tampony, ny lehiben’ny fampanoavana ary ny teknisiana eo anivon’ny ministeran’ny fitantanam-bola momba ny fampiharana ny paikady fampiasan’ny tany miteny anglisy rehefa miady amin’ny kolikoly dia ny Système de Common Law. “Andrindrana ny asa eo amin’ireo antanatohatra rehetra izao atrikasa izao ary heverina fa ahazoana vokatra tsara ity paikady ity. Ahafahana migeja ny vola maloto na koa ny kaontin’ny tompombolan’ireo olona naharaisana fanambaranana fiahiahiana raha mbola tsy mivoaka akory ny didimpitsarana manasazy azy moa ny Système de Common Law” hoy Razaranaina Jean Claude, Tale jeneralin’ny SAMIFIN. Araka izany dia ahafahana misoroka ny fandiovana vola maloto ny fampiharana ity fomba fiasa vaovao ity raha ny fanazavany ihany.
Ny resaka bolabola (bois de rose) sy ny volamena miaraka amin’ny vatosoa no sehatra tena ahitana ny famotsiam-bola eto Madagasikara. Raha ny tatitra avy amin’ny fadintseranana dia mahatratra 300 miliara ariary ny haba very fotsiny noho ny fivoahan’ireo bolabola an-taoniny maro lasa any Sina. Mpanao famotsiambola Sinoa no lehiben’ny tambajotra izay manaparitaka ny vola malotony eto amintsika. Misy orinasa sinoa sy mpanangom-bokatra malagasy monina amin’ireny toerana misy ny bolabola ireny kosa anefa miara-miasa eto an-toerana. Efa nampitaina tamin’ny governemanta ny antontan-taratasy momba io raharaha io saingy tsy misy mangirana izany hatramin’izao. Kely finoana ny hiverenan’io vola be io eto an-toerana anefa ny SAMIFIN satria mety efa mihodina amin’ny sehatry ny varotra izay tsy voara-maso izany na koa tazon’ireo mpandika lalàna any Sina, hoy ny Tale jeneraly. Mbola ezaka goavana koa anefa no mila atao momba ny famotsiam-bola amin’ny vatosoa sy volamena satria hatramin’izao dia tsy misy mihitsy ny fanambarana fiahiahiana voaray izay tsy ahafahan’ny SAMIFIN manomboka ny fanadihadiana.
Sary : Atoa Razaranaina Jean Claude, tale jeneralin’ny SAMIFIN
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.