Actualités

Trafikana boaderozy tao Soanierana Ivongo Nogadraina ireo “Dockers”, tsy fantatra izay tena atidoha


  • Alatsinainy 16 Febroary 2015

y zoma teo no niakatra fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana ilay fisamborana ireo olona voarohirohy momba ilay raharahana boaderozy tao Manompana Soanierana Ivongo, izay nahavoatonontonona ny tompon’andraikitry ny OTIV any an-toerana ary nanaovana fanadihadiana teo anivon’ny zandary nisahana ny raharaha. Raha nivoaka ny didy savaranonandon’ny mpitsara dia ireo

 

N« dockers » madinika miisa 6 no nohazonina am-ponja vonjimaika, fa ilay tompon’andraikitry ny OTIV dia tsy tao anatiny. Mpanjono, mpandrafitra, mpamboly, izay nokaramaina nitatitra ireo andramena ho ao anaty sambo kely hitondra azy eny afovoan-dranomasina ihany no misolo vaika ny akalana mikasika ity raharaha na andramena ity. Ny 3 tamin’ireo 6 voatazona am-ponja no henjehan’ny fitsarana amin’ny « fikasana hitrandraka boaderozy» ; ny 3 hafa kosa dia mitovy amin’izy 3 teo aloha ihany saingy miampy « famonoan’olona sy fihazonana olona an-keriny » tamin’ny famatorana azy tamin’ny tady.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT