Actualités

Trafikana boaderôzy Olo-maventy maro hotsaraina


  • Sabotsy 14 Jolay 2018

Tontosa omaly tetsy amin’ny fitsarana tampony etsy Anosy ny fianianan’ireo mpitsara 8 mianadahy mpikambana ao anatin’ilay rafi-pitsarana manokana hisahana ny raharaha Andramena sy Hazomainty (bois de rose et bois d’ébenne) izay raharaha isan’ny tsy mora raha ny nambaran’ny minisitry ny fitsarana, Noro Vololona Harimisa.

Nankahery sy nidera ny fahasahian’ireto mpitsara ireto hiditra ao ny minisitra ary nanafatra fa tsy handefitra raha sanatria ity rafitra vaovao vao nitsangana ity no sanatria hitrangana kolikoly. Tsy moramora, hoy izy, ny asa satria tsy olona madinika ireo voakasiky ny raharaha fa olo-maventy. Mety hisy ny tsindry ary mety hihatra aman’aina mihitsy aza ny asa. Fohy ny fotoana kanefa dia efa dosie miisa 79 sahady no miandry anareo izay hosahanina ao anatin’ny enim-bolana, hoy hatrany ny minisitra. Raha ny fanazavana dia efa ny taona 2015 no namoahana ny didy ahafahana manangana ity rafitra ity saingy noho ny olana ara-pamatsiana dia iny omaly iny vao tafatsangana tamin’ny fomba ofisialy izany.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT