Ho lasa alavitra ity resaka fanorotoroana olona mpanao aferana boaderôzy ity taorian’ny nanoloran’ny praiminisitra teo aloha, Beriziky Jean Omer, ny anarana mpandraharaha telo avy any Analanjirofo izay ambara fa lohandohan’ny mpisorona amin’ny afera hazo sarobidy ity.
Nanambara mantsy omaly, tetsy Ambodivona, ny mpikambana tao amin’ny kongresin’ny tetezamita teo aloha Rasolofomanana Charles Alain sy mpanolotsaim-paritr’Analanjirofo Raharison Médard, fa fanosoram-potaka ireo mpandraharaha any amin’ity Faritra ity no nataon’Atoa Beriziky Jean Omer nefa ny any amin’ny Faritra SAVA no tena mpanatanteraka izany afera boaderôzy izany saingy notakontakonan’ity praiminisitra taloha ity. Mpiray petsapetsa amin’ny fanondranana andramena an-tsokosoko ataon’ny any amin’ity Faritra ity izy, hoy ny fanazavana azo, ary manana porofo amin’izany izahay mponina any Analanjirofo ka azonay atolotra ny tompon’andraiki-panjakana mahefa ankehitriny koa toy ny nataon’ny praiminisitra teo aloha izany raha ilaina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.