Actualités

Trafika basy sy bala Vadina zandary no atidoha


  • Talata 27 Mey 2014

Mivoatra ny raharaha manodidina ireo basy miisa 360 sy bala 4.000 mahery tratra saika hampidirina an-tsokosoko tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny herinandro lasa teo.

 Olona roa mpivady hatreto no voasambotra, ka zandary miasa ao amin’ny Hery vonjitaitran’ny zandary ny iray ary tazonina eny amin’ny sampan’ny zandary misahana ny fikarohana heloka bevava eny Fiadanana hatramin’ny sabotsy teo, atao fanadihadiana. Nohafarana avy any Belzika ny entana, natao tao anaty fiara Mercedes Fourgon. Mbola misy naman’izy ireo karohina. Araka ny fantatra dia efa tambajotra matanjaka mihitsy ity trafikana fitaovam-pidiana ity, ary tsy vao izao no nisy tafiditra teto hatramin’ny tetezamita no ho mankaty. Mandeha ny fanadihadiana ka ho fantatra miandalana eo ny fivoarany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT