Actualités

Traboina ny firenena


  • Alatsinainy 09 Febroary 2015

Mavesabesatra ihany ny takaitra navelan’ny andro ratsy ho an’ny firenena. Tsy mbola tafarina akory ny simba vokatry ny rivodoza Chedza dia efa manao ny ataony ihany koa ny rivodoza Fundi izay azo ambara ho naha tondra-drano iny faritra atsimon’ny nosy iny mihitsy


. Tsy iadian-kevitra intsony fa tokony hirotsaka an-tsehatra bebe kokoa ny fitondram-panjakana amin’ny fanampiana sy famonjena ireo mpiray tanindrazana traboina sy nitondra faisana noho ireto andro ratsy roa ireto. Fa na ny sehatra tsy miankina na ny olon-tsotra dia tokony hiara-kientana ihany koa amin’ny tolo-tanana satria tena goavana ny faharavana ary azo ambara mihitsy izao fa traboina i Madagasikara. Mila mahatsapa tena ny mpitondra sy ireo mpanao politika fa maika ny fanarenana ny firenena fa tsy variana amin’ny kajikajy politika hahazoana seza na hanomanana ny fahazoana fahefana fotsiny. Efa tena be loatra ny adihevitra natao teto, fa mba efa fotoan’ny asa amin’izay kosa izao. Irariana mba tsy havadika resaka politika ny fanampiana ireo traboina fa mba tena voin-kava-mahatratra tokoa, satria io tsy fanajana ny soatoavina sy fanambaniana ny fihavanana io ihany no efa nampikoroso fahana ny firenena tahaka izao, be loatra ny fitiavan-tena sy fitiavam-boninahitra.Fotoana handinihan-tena izao, fotoana hiovana ary fotoana hanehoana ny firaisankina. Izao no fotoana hanehoana amin’izay ny maha zava-dehibe ny fihavanana Malagasy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT