Ny ampitson’ny fandalovan’ilay rivodoza Giovanna izay nandravarava ny ilany avaratra atsinanan’ny Nosy, taty afovoany ary koa ny tapany atsimo andrefana sy avaratra andrefana dia efa nihetsika ny mpitondra sasany, ny fikambanana nasionaly sy iraisam-pirenena ary koa ny tsara sitrapo ka nitondra fanampiana ho an’ireo traboina sy ny fianakavian’ireo namoy ny ainy. Efa notaterina teto ny dia nataon’ny praiminisitra Beriziky tany Moramanga, Brickaville sy Vatomandry izay anisan’ireo tanàna voa mafy ny alarobia lasa teo. Nitondra ny anjara birikiny koa ny faran’ny herinandro lasa teo ny Kongresin’ny Tetezamita notarihan’ny filohany Rakotoarivelo Mamy izay naneho firaisankina tamin’ireo mpiray tanindrazana nitondra faisana tamin’iny voina iny.
Tany Moramanga, Vatomandry ary Mahanoro ny delegasiona tamin’izay. Samy nanao hetsika manokana tamin’ireo Distrika ao aminy ihany koa ny Faritra Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro ary Analamanga. Tsy diso anjara tamin’ny fiaraha-mientana koa ireo orinasa toa an’Ambatovy izay nanolotra helikoptera hampiasain’ny BNGRC. Na dia tsy nanao antso fanampiana tany ivelany koa aza ny fitondram-panjakana dia efa nanolotra fanampiana ny governemanta amerikanina sy ny frantsay ary koa ny Croix Rouge iraisam-pirenena. Raha ny any ivelany aza te hanampy antsika amin’izao voina izao dia tsy taitra amin’izany kosa ny filohan’ny FAT. Teny Sabotsy Namehana ihany no nahitana azy ny andro nandalovan’ny rivodoza Giovanna teto Analamanga ny tolakandron’ny talata 14 febroary teo.
Nijery ny fahavoazana noho ny fahavakisan’ny fefiloha ka nahatondraka ny faritra iva tany Ankadikely sy Sabotsy Namehana ka nahatapaka ny lalana ny tenany tamin’io. Mbola maro anefa ireo tanàna sy faritra any ambanivolo any izay mafy kokoa ny fahavoazana noho ny fahapotehan’ny vokatra eny an-tsaha, ny fahalasan’ny tafon’ny sekoly ka tsy ahafahan’ny ankizy mianatra, ny lalana tapaka sy ny maro hafa. Tsy mba nizaha na mba nankahery ireny Malagasy mpiray tanindrazana ireny, indrindra ireo namoy havana i Andry Rajoelina hatramin’izao. Fihetsika izay mahagaga ny olom-pirenena maro. Sanatria ve ka manao vain-drahalahy tsy maharary, sa tsy nifidy azy ka tsy raharahaina ? Sa ve resaka hambom-po noho ireo lehiben’Andrimpanjakana sy mpitondra samihafa eto amin’ny firenena izay efa nialoha lalana azy tamin’ny fanotronana ny mpiray firenena ?
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.