Actualités

Tra-doza tetsy Mahamasina 20 mbola tsaboina ao amin’ny HJRA


  • Talata 11 Septambra 2018

Mbola mitana ny sain’ny maro ny loza vokatry ny fibosesehana hiditra ny kianjaben’i Mahamasina hijery ny lalao nifanandrinan’ny Barean’i Madagasikara sy ny Lion du Teranga Senegaley ny alahady 9 septambra teo,

 

 izay namoizana ain’olona iray ary naharatrana 48 hafa. Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona Ampefiloha (HJRA) ny 20 amin’ireo naratra, raha toa ka efa afaka niverina eo anivon’ny fianakaviany avy ny ambiny rehefa voatily nahazo fitsaboana fototra ka tsy misy ahiana intsony. Raha ny fanazavan’ny dokotera tao amin’ny HJRA dia tsy misy ahiana intsony ny ain’ireo maratra mbola manohy fitsaboana ireo, eny fa ireo roa niady tamin’ny fahafatesana tamin’ny andro nahatongavany tao amin’ny hopitaly aza. Dona tamin’ny loha no nahazo ny enina amin’ireo, dona tamin’ny tratra ny sasany ary misy mbola amin’ny sampana vonjy aina. Nanamafy ny tompon’andraikitra tao amin’ny HJRA fa raisin’ny fanjakana sy ny hopitaly an-tanana ny fitsaboana ireo niharan-doza teny Mahamasina tamin’io alahady io.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT