Torana ary saika tsy avotra ny ain’ilay tovovavy voaendaka teny Ankatso. Tovolahy miisa roa mantsy no nanendaka ity tovovavy iray nirava avy nianatra teny amin’ny
Conaco lettre hihazo ny fidirana ny vavahady lehibe. Raha ny hita dia tsy nisy nanampo na inona na inona ny olona rehetra manodidina satria tahaka ireny mifankafantatra ireny ilay tovovavy sy ireo mpanao ratsy. Tampoka anefa dia nihiaka ilay tovovavy ary torana. Nirifatra nandositra kosa ireo roalahy. Nikoropaka ny rehetra ary nifamonjena ity farany. Nilaza ilay tovovavy fa misy ny fianarany manontolo ao anatin’ilay solosaina; ary saika hanao “soutenance” rahampitso mihitsy aza ny tenany saingy tavela tao anatin’ilay solosaina avokoa ny rehetra. Matetika miverina indray ny trangana tsy fandriam-pahalemana eny amin’iny toerana iny ka mila mitandrina ny tsirairay.
Tojo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.