Actualités

Tovovavy niteraka zaza sampona miendrika kisoa Maty afak’omaly tany Toliara


  • Alarobia 25 Febroary 2015

Mbola sakana amin’iny faritra Atsimon’ny nosy iny ny fomban-tany, ary noho izany, mbola vitsy isa ireo vehivavy mitondra vohoka na teraka manatona mpitsabo na tobim-pahasalamana. Maty afak’omaly tany Toliara ilay tovovavy 22 taona niteraka zaza sampona niendrika kisoa, ny alarobia heriny teo

. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana, dia vokatry ny tsy fahatomombanana tamin’ny fiterahana noho ny ahitra tavela tao an-kibony no nitarika ny fahafatesany. Tsiahivina fa ora roa taorian’ny niterahany ny zanany sampona, dia maty namoy ny ainy ilay zaza vokatry ny fahasemporana, ary nalevina avy hatrany noho ny fomban-tany. Nanala zaza nitelina karazam-panafody ity tovovavy ity teo amin’ny fahatelo volan’ny kibony, nefa tsy nety niala ny zaza tao am-bohoka. Teraka soa aman-tsara ihany izy ny 18 febroary teo, teo vao samy taitra ny rehetra nahita ity zanany niendrika kisoa.

 

Eric R.  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT